Raha mitovy ny fandaniana. Nitondra fanazavana momba tetikasa Optima izay ahitana ireo « tarif » efatra : ny tarif social, tarif économique, tarif confort ary ny tarif superconfort ny teo anivon’ny orinasa Jirama ny 20 janoary 2021. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Andriamanga Vonjy fa betsaka tsy mahafantatra tsara momba ireo tarif teo aloha toy ny tarif 14, tarif 16,… ka mba hanamorana ny tolotra omen’ny Jirama no antony nanovàna izany. Ny tarif social dia natao ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 100 kwh, ny tarif économique ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 150 kwh, ny tarif confort ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 300 kwh ary ny tarif superconfort ho an’ny mpanjifa mandany mihoatra ny 300 kwh. Nilaza ihany koa Andriamanga Vonjy fa ho fanarenana ny orinasa Jirama no tanjon’ity tetikasa ity.
Araka ny fanampim-panazavana nomen’ny tale jeneraly lefitry ny Jirama fa ho fampitoviana tsikelikely ny vidin-jiro ho an’ny mpanjifa isam-paritra, ho fanamorana ny fampiasana ny tarif, noho Covid-19 dia nametraka tolotra vaovao hanampiana sokajin’olona marefo ary ho fampirindrana ny fandaniana satria sarobidy ny angovo no antony io tetikasa Optima io. Tombony amin’ity tetikasa ity ny fidinan’ny vidin-jiro hatramin’ny 15 % ho an’ny tarif social rehetra ary 6 ka hatramin’ny 26 % ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 130 kwh isam-bolana. « Noho ny fampiharana ny Optima dia ny 80 % ny mpanjifa nahita fa nihena ny fandaniana raha mitovy ny fandaniana teo aloha. Ny 20 % izany hoe mpanjifa 70.000 kosa dia nahita fisondrotana teo amin’ny faktiora. Ny 91 % tamin’izy ireo nampiakatra ny fandaniany. Toro-hevitra ho azy ireo dia na mitsitsy na miova tarif », hoy hatrany ny tale jeneraly lefitry ny Jirama.
Lynda A.
Pingback: JIRAMA : 80 % ny mpanjifa nahita fa nihena ny vidin-jirony vokatry ny tetikasa Optima - ewa.mg