politique

JENERALY JEAN RAVELONARIVO: “Feno fitaka ny tany”


Voatery nanapa-kevitra ny ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo ny Jeneraly Jean Ravelonarivo. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy androany 22 jona 2018 teny amin’ny trano fonenany eny Ivato izany. Tsy niteny mihitsy ity praiministra teo aloha, nitondra ny governemanta tamin’ny volana janoary 2015 ka hatramin’ny aprily 2016 ity taoriany tsy naha praiministra azy. “Nataonay ihany ny nangina hatramn’izay satria olona manaja ny soatoavina Malagasy. Tsy nandray fitenenana na indray mandeha ny tenako taorian’ny nialako teo amin’ny toeran’ny PM ho fanajàna ny fitantanana ny repoblikanina”, hoy “Général de brigade aérienne” efa nisotro ronono, Jean Ravelonarivo.

Fitaka

Noho ny fahitany ny fijalian’ny vahoaka Malagasy no nahatonga an’ity filoham-boninahitry ny antoko politika ABA (Antokom-Bahoaka Malagasy) ity nanapa-kevitra . Nilaza izy fa mila mandray andraikitra ny vahoaka amin’ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana sy ny manodidina izany mba ho fifidianana mangarahara ny fifidianana filoham-pirenena. Nampitandrina ny vahoaka izy fa feno fitaka ny tany. “Amin’ny manaraka ho lazaiko ny tohiny”. Hitondra fanovàna ho an’ity firenena ity, hitandro ny tanindrazana, hiaro ny vahoaka Malagasy, hanohy ny ezaka amin’ny fampihavanam-pirenena ary hametraka ny fitsinjiram-pahefana tena izy fa tsy sadasada no vina apetraky ny antoko politika ABA.
Nanamafy i Jean Ravelonarivo fa tsy nisy izany kidnapping izany tamin’izy lehiben’ny governemanta. Ankehitriny iaraha-mahita ny firongatr’izany. Raha amin’ny lafiny kolikoly indray no resahana dia nitàna ny laharana faha-123 ny firenena Malagasy tamin’ny resaka kolikoly tamin’ny 2015. Amin’izao fotoana izao lasa faha-145, araka ny fanadihadiana nataon’ny “Transparency International”. Vao maika nitombo ny tahan’ny kolikoly eto Madagasikara raha io tarehimarika io. “Voatery mitsangana, mifoha amin’ny torimaso aho ho fitiavan-tanindrazana”.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *