politique

JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA : Tsy ho kandida filohampirenena indray


Azo antoka fa tsy ho isan’ny kandida ho filohampirenena i Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nilaza ny tenany fa taratasy tokana sisa no tsy ampy kanefa raha tsy feno io dia tsy ho voaray ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiany. Ny taratasy manamarina ny maha antoko politika ara-dalàna ny Malagasy Sahy sy Vonona (MSV) no indro kely. Mbola tsy azo io taratasy izay alaina eny amin’ny ministeran’ny atitany io. Raha toa ka tsy azo io taratasy io dia mila olom-boafidy 150 isa hanolotra ilay kandida handray anjara amin’ny fifidianana filohampirenena. “Tsy manana olom-boafidy 150 izahay”, hoy ny filohan’ny MSV, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Ho praiminisitra

Tsy hanohana kandida ihany koa MSV satria efa nifampiresaka kandida be dia be saingy tsy te hanatanteraka ny vinan’ny antoko izy ireo. Mba hametrahana ny rafitra fokontany sy fokonolona dia handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny antoko MSV. Ho voafidim-bahoaka ny filoham-pokontany amin’izay fotoana izay. “Haka ny maro an’isa izahay amin’ny solombavambahoaka. Araka ny lalam-panorenana dia ny solombavambahoaka manana ny maro an’isa avy amin’ny antoko politika no manolotra ny praiministra. Haka ny toeran’ny praiministra izahay mba hanatanterahana ny vinanay”. Noho izany, hanomboka hitety faritra sahady ny MSV mba hanomanana ny fifidianana solombavambahoaka.

Madio

Tohin’ny fitoriana faha-105 tamin’ny 2016 ny fiantsoana an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy teny amin’ny biraon’ny zandary. Tranga tamin’ny 2014 hoy izy no nitoriana ahy. Tsy anefa ny porofo. Voatonona ao anatin’ny fitoriana ihany fa nahazo famatsiam-bola avy ivelany ny Hafari. “Mbola tsy nahazo izany ny Hafari fa ny praiministra teo aloha Jean Ravelonarivo ihany no namatsy vola anay tamin’ny tetikasa “Exode urbain” tany Soaniadanana Ankazobe. Efa madio izahay ary tsy misy atahorana intsony”.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *