Socio-eco

JEAN NAVANDAHY RATIHARISON: Ho solombavambahoaka tsy ho ela


Kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka voalohany nanatitra ny taratasy filatsahan-ko fidian’ny teny amin’ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des Candidatures), distrika an’Antananarivo faha- II i Jean Navandahy Ratiharison. Ny 7 martsa 2019 izy no nanamafy izany fahavononany izany. Nahafeno ny taratasy takiana ny tenany.  Kandida mahaleo teny i Jean Navandahy Ratiharison fa tohanan’ny fikambanana Zah’ Gasy. « Andron’ny tanora izao ka aleo ny tanora no handray andraikitra amin’izao firenena izao”, araka ny fanehoan-kevitr’i Jean Navandahy Ratiharison.

Fahefana mpanao lalàna sy hanara-maso ny mpanantanteraka no andraikitry ny solombavambahoaka. Ho an’ity kandida tohanan’ny fikambanana Zah’ Gasy dia laharam-pamehana ho azy ny lalàna amin’ny lafiny sosialy. Anisany izany ireo volavolan-dalàna miisa 15 momba ny sosialim-bahoaka : fahasalamana, fanomezana zano, ny fampianarana ny zana-bahoaka mba tsy ho fahasahiranan’ny ray aman-dreny.  “Adidiko voalohany eo, hampiditra ny zana-bahoaka hianatra any amin’ny sekolim-panjakana , tsy mandoa vola. Ny lalàm-panorenana rahateo no mametraka  fa maimaim-poana ny fampidirana ny zaza eny amin’ny sekolim-panjakana. Manaraka izany, hanangana tahiry iombonan’ny gasy rehetra iadiana ny tsy fananan’asa. Hitarika an’izay miaraka amin’ny fokonolona mba hananan’ny tanora asa”, hoy hatrany i Jean Navandahy Ratiharison. Nanamafy izy fa amin’ny maha mpanara-maso ny mpanatanteraka dia hijery hoe: tanteraka ve ilay lalàna?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *