Socio-eco

JCI MALAGASY ACADEMY: Tanora 100 hahazo fiofanana momban’ny “leadership”.


Fandaharana asa mampiofana ny tanora amin’ny resaka fahaiza-mitantana na “Leadership” ny JCI Academy Malagasy (JMA). Tanjona tiana ho tratrarina amin’izany ny famolavolana ny toe-tsain’ny tanora iatrehan’ny asa sy andraikitra apetraka aminy ao aoriana kely ao. Efa nanomboka ny 23 jolay 2016 teo ny fiofanana andiany faharoa amin’ny tetikasa ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faha-30 jolay. Tanora miisa 100 no misitraka izany eny amin’ny CEFOM (Centre d’Etudes et de Formation Multimedia) Maibahoaka Ivato. Ny 75 amin’izy ireo dia mpianatry ny oniversitem-panjakana eto Antananarivo sy Toliara. Ny “Programme Jeunes Talents” tohanan’ny PNUD no nahafahan’izy ireo nisitraka ny fampiofanana.
Anterivava : Lollita ANDRIAMANOHERA

“Laharam-pamehana ho an’ ny JMA ny hanosika ireo tanora ireo mba hahatsapa ny maha zava-dehibe ny andraikitr’izy ireo ao anatin’ny fiarahamonina fa indrindra eo sehatry ny fitarihana”, hoy Lollita ANDRIAMANOHERA.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fandaharana asan’ny Jeune Chambre Interantionale (JCI) Madagascar ny JMA.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *