Socio-eco

JCI ANTANANARIVO: Hitohy ny asa ho an’ny garabola


Efa fantatra sahady ny birao vaovao hitarika ny JCI (jeune chambre internationale) eto Antananarivo amin’ny taona 2019. Notanterahina ny 15 desambra 2018 ny fifidianana ny filoha mpitarika, ny filoha lefitra ary ny filoha lefitra mpanatanteraka. Taorian’ny fandatsaham-bato, lany ho filohan’ny JCI Antananarivo i Sambatra Ramahavonjy. Filoha lefitra kosa i tsilavina Rakotoarisoa ary filoha lefitra mpanatanteraka i  Mamy Andriamialijaona. Notanterahana nandritra io fivoriambe io avy hatrany ny famindram-pahefana sy ny fandinihana ny asa ho tontosaina amin’ny taona ho avy.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny JCI Antananarivo vaovao,  ramatoa Sambatra  Ramahavonjy fa hanohy ny asa toy ny fanampiana ny fanabeazana fototra (garabola),ny fanadiovana tanàna tahaka ny natao tamin’ny andro manerantany ho an’ny fanadiovana (world clean up day), ny fiarovana tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny fikambanana. Efa 30 izao ny mpikambana ao amin’ny JCI Antananarivo. Misy ihany koa ireo efa nametraka dosie hiditra ho mpikambana.

Lynda A.


One comment on “JCI ANTANANARIVO: Hitohy ny asa ho an’ny garabola

  1. Pingback: JCI ANTANANARIVO: Hitohy ny asa ho an’ny garabola - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *