Efa manomboka misongadina ny baolina kitra malagasy ankehitriny. Tombony ho antsika malagasy ny fisian’i Ahamad mitantana ny baolina kitra afrikana (CAF) , hoy i Jacques Ramaroson, kandida izay ho filohan’ny baolina kitra Malagasy ( FMF ). Ankoatra ny tombotsoa maro azontsika, toy ny fiofanana isan-karazany dia tsy sahy mangalatra intsony ny mpitsara rehefa milalao ny ekipa malagasy sao iharan’ny sazy avy amin’ny CAF. Eo ihany koa, ny fahaizan’ny mpilalao malagasy ao anatin’ny ekipa-pirenena malagasy (Barea), ny fisian’ny mpanazatra mahay. Na dia nisy aza iny faharesena farany teo iny, entina hanatsarana ny fifaninana goavana any amin’ny tompondakan’i afrika (CAN 2019) atao any Cameroun ny taona 2019.
Velarina ny fitantanana
Manana fandaharan’asa mazava ny kandida Jacques Ramaroson entina hanatsarana sy hampandrosoana ny baolina kitra malagasy. Tsy manana mpilalao maro hijerena ny ho ao amin’ny ekipa-pirenena isika. Raha ny tokony ho izy misy mpilalao 200 no hijerena ny hilalao ao amin’izany ekipa nasionaly izany. Mila mamolavola mpilalao avy any amin’ny fototra isika ka tsy hijanona eto Antananarivo votsiny. « Ilaina ny fijerena ireo ankizy 10, 12 taona manana talenta amin’ny fahaizana baolina kitra satria tsy manana politika amin’izany isika. Tsy hajanona fotsiny amin’izao anefa izany fa ilaina ny fisian’ny toeram-piofanana ho azy ireny ». Hatsangana manerana ny faritra 22 noho izany ny toeram-piofanana ho azy ireny mba hahafahana mampiaraka ny teknika amin’ny talenta izay efa ananany, hoy izy. Velarina any amin’ny « section, ligue » ny fampiofanana ireo mpilalao, ny fampitaovana amin’ny lafiny rehetra. Ezahina ny hisian’ny fampifandraisana ireo kilioba lehibe any ivelany amin’ny toeram-piofanana avy eto an-toerana ahafahana mandefa ireo ankizy hiofana any amin’izany kiloba lehibe izany. Vaindohan-draharaha ny fanofanana ireo mpanazatra indrindra ny any amin’ny « ligue ». Santionan’ny fandaharan’asany ireo rehetra ireo ho fampandrosoana ny baolina kitra malagasy.
Nirina R.
Pingback: JACQUES RAMAROSON: Vonona hitondra ny FMF - ewa.mg