Socio-eco

ISTS : « Manomboka liana amin’ny asa sosialy ny tanora malagasy »


Nitombo ireo mpianatra nahavita ny fiofanana tao amin’ny « Institut Superieur de Travail Social » ( ISTS ) eny Mandrimena, Andoharanofotsy. Mihabetsaka hatrany noho izany ny tanora mandrato fiofanana momba ny asa sosialy ao amin’ny sekoly fampiofanana ISTS. Hita taratra amin’ny mpianatra nivoaka tamin’ity taona 2019 ity izany, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS, Rambelomanana Landry. Miisa 107 izy ireo ka 103 dia nahazo ny marim-pahaizana « Licence Professionnelle en Travail social », ny 44 dia « Animateur de Développement Social », 33 « Assistant de Service Social », 26 ny « Educateur Spécialisé ». Efatra kosa ireo nahazo ny marim-pahaizana «Master Professionnel et Master de Recherche en Travail Social ». Mitondra ny anarana hoe « PELIKANA » ny andiany indray mihira tamin’ity andiany faha 54 ity izay notontosaina ny 19 Desambra 2019. Teo ambany fiahian’ny Ministry ny mponina , fiahiana ara-tsosialy ary ny vehivavy, Irmah Lucien NAHARIMAMY. Ny mpanorina ny fikambanana AKAMASO, Mopera Pedro OPEKA no mpiahy an’ity andiany ity.

ISTS 2019 1Isaky ny firenena misy foana ny asa sosialy fa ny endriny no samihafa. Raha ny eto Madagasikara dia eo amin’ny resaka fahantrana no tena betsaka satria araka ny antontan’isa navoakan’ny banky iraisam-pirenena dia sivy amin’ny olona folo no ao anatin’ny fahantrana lalina. Noho izany dia miompana amin’izany ny asa sosialy fanarenana ireo olona tratran’ny fahantrana lalina ireo. Nohamafisin’i Razafindravalo Mifaliaina, nisafidy lalam-piofanana «assistance social » sady major amin’ny Licence amin’ity andiany ity fa mahafinaritra ny manampy olona sy mitady ny tombotsoa ho azy. Nisafidy ny ISTS izy satria io irery no sekoly manana fakantoavana ara-panjakana amin’ny lalam-piofanana « travail social » eto Madagasikara. Mbola vonona ny hanohy any amin’ny fahazoana ny Master sy doctorat izy.

59 taona tamin’ity taona 2019 ity ny ISTS. Hakalaza ny faha 60 taonany amin’ny taona 2020 no izany ny sekoly dia hisy ny lalam-piofanana ahazoana ny diplaoma doctorat.

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo manana ny bakalorea. Ny 7 sy 8 janoary 2020 ny fanadinana hidirana ao amin’ny ISTS. Fepetra telo no miditra ao amin’ny ISTS raha nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera dia ny fananana ny diplaoma bakalorea , feno 18 taona sy tsy miotra ny 35 taona ary mila afaka amin’ny fanadinana fitsapana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *