Socio-eco

ISTS-CRDS: Ny anjara toeran’ny asa sosialy amin’ny fampandrosoana


Tsikaritra fa lasa tsy manaraka ny « code d’éthique et déontologie » mifanaraka amin’ny asa sosialy ny sahan’asa ataon’ireo mpiantsehatra, araka ny fanadihadiana nataon’ny CRDS (Centre de Ressources en Développement Social). Ao no mitady famatsiam-bola  kanefa tsy mipaka any amin’ireo mpisitraka akory izany vola izany fa lany amin’ny fampandehanan-draharaha fotsiny ny ankabetsahany. Ankoatra izany, “matetika rehefa mandeha ny asa dia tsy mitovy intsony ny tanjona na samy nivoaka  avy tamin’ny ivon-toerana iray aza”, hoy Rabemanantsoa Heritiana Andrianala, tomponandraikitry ny CRDS.  Nikarakara seminera ny ISTS (Institut Supérieur de Travail Social) sy ny CRDS ary ny  « groupement des travailleurs sociaux » avy any amin’ny faritra Vakinankaratra, androany 22 aogositra 2019 teny amin’ny Mandrimena Andoharanofotsy. « Ho ezahina hahitsy amin’ny alalan’ity seminera ity ireo tranga tsy mifanaraka amin’ny « code d’éthique et déontologie », araka ny fanazavany hatrany.

 Lohahevitra noresahana nandritra ny seminera ny « anjara toeran’ny asa sosialy amin’ny lafiny fampandrosoana ».  Nifampizara traikefa momba izany  ireo mpiantsehatra amin’ny asa sosialy izay ao anatin’ny « groupement des travailleurs sociaux » Vakinankaratra. Nifanankalozan-kevitra teny an-toerana ihany koa ny famaritana ny atao hoe : « asa sosialy amin’izao taonjato faha-21 izao », ny paikady hanatsarana ny asa, ny fijerena ny filàn’ny mpiantsehatra. Tamin’ny tapany faharoan’ny fivoriana dia nanolotra fampiofanana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiantsehatra, izay hita dieny mialoha fa tsy ampy, ny CRDS. Nohamafisin-dRabemanantsoa Heritiana Andrianala fa tsy asa soa fa asa toy ny asa rehetra ihany ny asa sosialy. Raha faritana dia asa fanarenana ny ankohonana tena sahirana ary manampy  azy ireo ho tafarina sy hahaleo tena mba hirosoana amin’ny  fampandrosoana ara-tsosialy.

Tsara ho fantatra fa anisany ivon-toerana mampiofana momba ny asa sosialy ho lasa « animateur  en développement  social », « assistant social », « éducateur spécialisé » ny ISTS. Departemanta  ao anatin’ny ivon-toerana misahana ny  « formation continue » kosa ny CRDS. “Rehefa vita ny formation initiale dia mandeha miasa ny mpiofana dia mahita izy fa misy fahalalana tsy ampy hitany any dia miverina mankao amin’ny CRDS izy manampy ny fahaizany”.

Nirina R.


2 comments on “ISTS-CRDS: Ny anjara toeran’ny asa sosialy amin’ny fampandrosoana

  1. Pingback: ISTS-CRDS: Ny anjara toeran’ny asa sosialy amin’ny fampandrosoana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *