Socio-eco

ISPM: Manampy amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana.


Varavarana hidirana amin’ny sehatry ny ambaratonga ambony ny mari-pahaizana BAC.  Nohamafisin’ny  Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY fa tsy ezaka farany ny fanadinana bakalorea. Ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny mpianatra tafita amin’io dingana io no antony nanaovana ny salon de l’ISPM, vita BAC.

Nanomboka ny 01 ary hifarana rahampitso  ny 02 Aogositra 2017 izany. Hita eny amin’ny Carlton Anosy avokoa ireo lalam-piofanana azo rantovina ao amin’ny ISPM toy ny « informatique télécommunications, droit, techniques des affaires, biotechnologie, agronomie, génie industriel, génie civil, architecture, tourisme ». Hanampy ny mpianatra hisafidy ny sampam-pianarana hanohizany ny fianarany ihany koa ireo voka-pikarohana nataon’ny mpianatry ny ISPM. “Hampahafantatra bebe kokoa ny sehatr’asa azo atao ireto voka-pikarohana ireto izay mifandraika amin’ny lalam-piofanana isan-tsokajiny”.

Miantso ny orinasa mitady mpiasa na te hitrandraka ireo voka-pikarohana ihany koa ny ISPM.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *