Socio-eco

ISPM: Fandrafetana sahady ny ho avin’ny mpianatra ny fikarohana.


Fomba fanao isan-taona ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo voka-pikarohana nataon’ireo mpianatra ao amin’ny ivom-pampianarana ambony ISPM. Tamin’ity andiany faha-24 ity, 400 mahery ny isan’ireo fikarohana. “Hetsika iray ahafahana mampivelatra ny sain’ny mpianatra sy ny fampiharana ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo fa indrindra hitarihana azy ireo sahady any amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika tahaka itony”, hoy ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY.

Ankoatra ny fandrafetana sahady ho lasa asa ho an’ny tena, ho fisarihana ireo mpamatsy vola na orinasa hanampy ireo mpianatra amin’ny fanatanterahana ny voka-pikarohana nataon’izy ireo ihany koa ity varavarana misokatra ity.

Mahaliana dia mahaliana tokoa ny fikarohana nataon’ireo mpianatra. Samy manana ny voka-pikarohana isaky ny lalam-piofanana misy azy avy izy ireo. Hatramin’ny sabotsy 17 may 2017, misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika izay atao eny amin’ny foiben’ny ISPM, Ambatomaro. Hita eny an-toerana avokoa ireo voka-pikarohana toy ny famadihana ny lomotra ho lasa “carburant”, ny fanamboarana “beton”amin’ny akora hafa…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *