Socio-eco

INTERNET GOVERNANCE FORUM: Ho dinihana ny hahamora ny saran’ny internet


Efa zary fampiasa  amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy sasantsasany ny aterineto (internet) ankehitriny. Raha ny zava-misy eto amintsika anefa dia mbola lafo ny saran’ireo tolotra ahafahana misitraka ny aterineto, araka ny fifampizarana nataon’ireo mpandray anjara amin’ny  IGF na Internet Governance Forum na ihany koa « forum sur la gouvernance de l’internet » izay nanomboka androany 19 septambra 2019 ary hifarana rahampitso  20 septambra 2019 eny Anosy. Lohahevitra ho resahina  amin’ity andiany voalohany  ity ny hahatonga ireo tsy mbola mampiasa aterineto mba hampiasa izany ( Connecter les non connectés). Mikarakara ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny ISOC (Internet Society Chapter) Madagascar sy ny NIC-MG (Networking Information Center Madagascar). Ankoatra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ ny  fampianarana ambony  sy ny fikarohana ara-tsiantifika, ny ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra, ny ARTEC sy ny sehatra tsy miankina eto an-toerana, mitsinjara ny aterineto eto Madagasikara dia manana vahiny avy ivelany ihany koa ny IGF, hizara ny traikefany  momba ny fitantanana ny aterineto.

Nambaran’ny filohan’ny ISOC (Internet Society Chapter) Madagascar, Razafindrakoto Nicolas Raft fa ao anatin’ny  zana-kevitra dinihina mandritra ny andro voalohany ny rafitry ny “internet”, ny “e-gouvernance” sy ny fampiroboroboana ny nomerika, ny “point d’échange internet IXP ary ny fitsipika mifehy ny tontolon’ny nomerika. Ho fakafakaina amin’ny andro faharoa kosa ny anjara toeran’ny “internet” amin’ny lafiny fampianarana sy ny fikarohana ary hamaranana ny “forum” ny fizarana ny loka ho an’ireo mendrika indrindra tamin’ny fifaninana famoronana “application”, Hackathon WSA 2019 nokarakarain’ny ISOC Madagascar, WSA Madagascar ary ny NIC-MG.

Ho atolotra ny rafitra isan-tsokajiny ny fehin-kevitra rehetra mivoaka amin’ny IGF mba ho atao fitaovana enti-mamolavola ny politikan’ny fampiasana ny nomerika  eto Madagasikara hatramin’ny 2025. Nilaza Razafindrakoto Nicolas Raft fa ny raha ny vidin’ny “connexion internet” eto amintsika sy ny foto-drafitr’asa mifandraika amin’izany no resahana dia misy zavatra tokony havoaka ao anatin’izao “forum” izao. Marihina fa sehatra iray niforona tany Amerika ny taona 1992, miantoka ny fitantanana amin’ny lafiny ny fanabeazana, ny politika mifamatotra amin’ny aterineto ny ISOC.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *