Socio-eco

INTERNET ETO MADAGASIKARA: “Tokony ho tonga isan-tokantrano”


Feno 25 taona no nampiasan’i Madagasikara ny “internet”. Hisy ny fihaonambe iraisampirenena ho tanterahina ny 12 sy ny 13 desambra 2019 eny Ankorondrano. Ny ISOC (Internet Society) Madagascar, WSA (World Summit Award) Madagascar, ny NIC-MG  izay mpitantana “nom de domaine  (.mg)” miaraka amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny ARTEC (Autorité de régulation des technologies de Communication, ny ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) ary Orange Madagascar no mikarakara azy ity. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny NIC-MG, Andriamparany Marius nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2019 teny Ankorondrano fa hanaovana tombana ny zava-bita tao anatin’izay 25 taona izay, handrafetana ny asa ho atao ho an’ny 25 taona manaraka no anton’ity fihaonana iraisampirenena ity. Hanatrika ny fihaonana ireo mpisehatra amin’ny internet avy eto an-toerana. Nahazo fanasana ihany koa ireo mpisehatra avy any Afrika sy Frantsa ka vinavinaina ho 180 ny isan’ny mandray anjara mandritra ny roa andro. Vokatra andrasana amin’izy ireo ny famoahana hevitra sy soso-kevitra ahafahan’ny mpanapa-kevitra manatsara ny tontolon’ny “internet” sy ny nomerika eto Madagasikara.

 Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny NIC-MG fa tohin’ny fivoriana nasionaly momba ny “internet” (IGF)  notontosaina ny 19 sy 20 septambra 2019 ity fihaonana iraisampirenena ity. Nivoitra tamin’ny IGF fa miadana ny fivoaran’ny “internet” eto amintsika satria mbola ny 11,6% ny mponina no mampiasa ny “connexion internet”, ambany dia ambany ny tahan’ny fandrakofan’ny  réseaux 3G sy  4G ary mbola misy faritra tsy mbola voasahan’ny internet na dia eo aza ny “fibre optique” sy ny “backbone”. Voalaza tamin’izany ihany koa fa anisany sakana tsy mampivoatra ny fifaninanana amin’ny sehatry ny “internet” eto amintsika ny fanaovana manjaka tokana ny fampiasana ny “fibre optique”. Nohamafisin’i Andriamparany Marius fa tokony ho tonga isan-tokantrano io internet io. Raha te handeha lavitra isika amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra dia mila apetraka ny fandaharan’asa fametrahana jiro, ny  fampianarana ny olona momba ny fampiasana ny “internet”, ny vokatra azo jifain’ny Malagasy aminy sy ny maro hafa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *