Socio-eco

« International Champions Cup »: Hahita ny lalao rehetra i Madagasikara


Lasa ny mamba misosoka ny voay. Tao aorian’ny nahavitan’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny lalao baolina kitra tonga indray ny « International Champions Cup » (ICC). Ho hita manontolo ao amin’ny startimes ireo lalao mandritra ny telo herinandro.  Ity orinasa ity irery ihany no nahazo alalana hanaparika ny sary sy feo aty Afrika hoy ny tale ara-panatanjahantena ny startimes, Cole He Xin. Mpilalao 21 nandritra ny famaranana teo amin’i Frantsa sy croatie ho hita mandritra ny fifaninana  toy i Real Madrid,  Bayern Munich, Liverpool, Manchester City, Milan AC ary  Paris Saint-Germain. 18 kosa ireo ekipa  nahazo amboara tamin’ny taona 2018 ity ( champion de l’édition 2018 ). Kianja 22 ao anatin’ny kontinanta telo no hanaovana ny lalao. « Faly ireo mpitia baolina kitra aty Afrika  indrindra isika Malagasy tamin’ny fanarahana mivantana ireo lalao rehetra nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany teo ary faly izahay hanome ny lalao rehetra amin’ny ICC », hoy hatrany izy. Ho hita amin’ity fifaninana ity i barcelone, Liverpool, Borussia Dortmund, AC Milan, Manchester United, Juventus, Real Madrid…Hanomboka ny 21 Jolay 2018 ka hatramin’ny 12 Aogositra 2018 ny ICC.

Nomariahan’ity lale ity fa ny startimes no orinasan-televiziona nomerika voalohany aty Afrika ary 20 tapitrisa ireo mpampiasa azy.

Nirina R.

Fandaharam-potoana

USA

EUROPE

SINGAPOUR


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *