Socio-eco

INTEREX MADAGASCAR: Manamora ny fandefasana sy fanafarana entana.


Nitambatra ny TNT sy ny FEDEX. Amin’ny alalan’ny ny orinasa “Interex Madagascar”, nitombo ny firenena ahafahana mandefa na mandray entana. “Firenena 200 manerana an’izao tontolo izao no afaka ampiasana ny tolotra omenay ny mpanjifa”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Interex, Niven Sawmynaden. Voatazona hatrany anefa ny sarany sy ny tolotra an’ny orinasa misahana fandefasana sy fanafarana entana TNT. Tsy miova manaraka izay ihany koa ny ora sy ny fomba fiasa (logistique).
Nanomboka tamin’ny taona 2009, ny orinasa Interex no misolo tena ny FEDEX eto Madagasikara. Manana safidy tsara ny mpanjifa amin’ny lafiny sarany sy ny tolotra. Mifanaraka amin’izay tolotra safidiany na “service express” na “service économique express » ny ora ahatongavan’ny entana. Ho fanamorana ny fanaterana ny entana, miara-miasa amin’ny masoivoho mpanatitra entana (colis express) miisa 100 manerana ny Nosy ny “Interex Madagascar”.
Nirina R.

Horanan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *