Socio-eco

INSTAT: Nivoaka ny « comptes nationaux » sy ny IPC vaovao


Novaina ny fomba fandrefesana ny « comptes nationaux ». Natao nanaraka ny fenitra «  système de comptabilité nationale 1993 » (SCN-93) izany raha toa ka SCN-84 ny teo aloha. Vokatry ity fanavaozana ity dia nahitana fiakarana 16 % ny hari-karena faoben’i Madagasikara  niainga tamin’ny « base 2007 ». Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny  8 mey 2019 teny amin’ny Carlton Anosy ny « comptes nationaux » na ny toekarena sy ny hari-karena faobe araka ny fandrefesana vaovao.  Nambaran’ny tale jeneralin’ny INSTAT, Romalahy Isaora Zefara  fa fomba fandrefesana ny fahasalaman’ny toekarena  ny « comptes nationaux ». Atao isaky ny dimy na folo taona ny fandrafetana azy mba hijerena ny fivoaran’ny toekarena sy hampitahana ny teo aloha sy ny ankehitriny.  Kajiana ao anatin’ny « comptes nationaux » ny  fitambaran’ny vola miditra sy ny vola mivoaka  amin’ireo seha-pihariana samihafa toy sehatra fototra, sehatra faharoa, sehatra fahatelo sy  ny maro tsy voatanisa.

Ankoatra izany dia nampahafantarina tamin’io fotoana io ny « indice des prix à la consommation »  (IPC) vaovao. Fantatra tamin’izany fa 7 % ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Lasa ny fototra tamin’ny taona 2016 no nampiasaina nandrafetana ny IPC raha toa ka fototra tamin’ny taona 2000 izany teo aloha satria tsy mitovy ny vidin’entana tamin’ny taona 2000 sy ny 2016. Niova ihany koa ny kojakoja nilain’ny isan-tokantrano tamn’ireo vanim-potoana ireo. Ohatra lasa tao anatin’ny kajy ilain’ny  isan-tokantrano ny fividianana fahana raha toa ka tsy tao izany tamin’ny taona 2000, hoy ny tale jeneralin’ny INSTAT. Noho izany, natao hijerena ny fivoaran’ny toe-bola ampisain’ny isan-tokantrano ny IPC. Entina handrefesana ny toekarena, ny fivoaran’ny tolotra sy ny tinady sy ny fivoaran’ny vidim-piainana ary ahafahana mandrefy ny vidin’ny kojakoja ampiasain’ny isan-tokantrano eo anelanelan’ny vanim-potoana roa ihany koa, raha ny fanazavana hatrany. Nilaza ny solontenan’ny mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika niara-niasa tamin’ny INSTAT tamin’ny famolavolana ny « comptes nationaux » vaovao fa hitarafana ny vokatry ny asan’ny governemanta  sy entina  hanatsarana politika fampandrosoana ny  antontan’isa momba ny toekarena ka ao anatin’izany ny « comptes nationaux » sy ny IPC.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *