Socio-eco

IMBIKY HERILAZA: “Mbola tsy feno ny fepetra maha fanjakana tan-dalàna”


Vahaolana hampitsaharana ny “valifatim-bahoaka” na “vindicte populaire” ny fanajanonana ny teritery ataon’ny mpitondra fanjakana amin’ny mpitsara, hoy ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza. Araka ny tatitra nataon’ny firenena mikambana misahana ny zon’olombelona (Haut Commissariat de Droits de l’Homme) momba ny “fitsaram-bahoaka” ny alatsinainy 17 septambra 2018 dia olona 152 no maty ary 61 ny olona naratra vokatr’ireo trangana fitsaram-bahoaka miisa 108 teo anelanelan’ny volana jolay 2016 ka hatramin’ny volana aogositra 2018. Namafisin’ny ministry ny Fitsarana sy ny Mpitahiry ny Fitombon-kasem-panjakana, Harimisa Noro Vololona fa voasazin’ny lalàna ny famonoana olona sy fanimbana fananan’olona mandritra ny “vindicte populaire”. Nilaza ihany koa ny mpanolotsainan’ny « Haut Commissariat de Droits de l’Homme » (HCDH) eto Madagasikara, Omer Kalameu fa mandika ny zon’olombelona ny fitsaram-bahoaka.
Fototry ny fanjakana tan-dalàna ny fitsarana. Mbola tsy feno anefa ny fepetra maha fanjakana tan-dalàna an’i Madagasikara. Nampihena ny fahatokisan’ny olona ny fitsarana ny fahitana ireo mpanao ratsy miriorio eny rehetra eny. Olona efa tratra nangalatra izao na namono olona kanefa tsy nahazo ny sazy sahaza azy. Tsy mahazo rariny ireo niharam-boina. Vokany, lasa kolontsaina ny fanaovana fitsaram-bahoaka. Nambaran’ny ministry Harimisa Noro Vololona fa raharahan’ny rehetra ny mahatonga ny “vindict populaire”. Nazavain’ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza fa ezahan’ny mpitantana atao fitaovana politika mba hijery ny tombontsoany manokana ny rafi-pitsarana. Iharan’ny teritery, fandrahonana ny mpitsara eo am-panatanterahana ny asany. Lasa mamoaka didy tsy manaraka ny feon’ny fieritreretany sy ny lalàna izy. Lafiny iray mahatonga ny mpitsara tsy mamoaka didim-pitsarana araka ny tokony ho izy ihany koa ny kolikoly. Soso-kevitra narosony ny fanomezana fahaleovantena ny fitsarana, ny fanajanonana ny teritery sy ny fandrahonana, avela malalaka ny Filankevitry ny mpitsara hanara-maso ny mpitsara ao aminy, mila mijoro amin’ny marina ny mpitsara, ary tokony ho saziana ireo mpitsara mandika lalàna… Tsy ny fitsarana irery ihany noho izany no tomponandraikitra fa eo ihany koa ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpitandro filaminana, ny resaka politika, araka ny tatitry ny HCDH.

Nirina R.

Mpahay lalana

Ministry ny fitsarana


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *