Socio-eco

IAVOTIANA: Mila fanampiana maika


Zazavavy kely herintaona sy tapany i Iavotiana. “Mal formation congénitale” no mahazo azy. Araka ny fanazavan’ny reniny, Prudence, misy loaka ny fony ary mibontsina ny “aorte”-ny. Efa mifangaro ny rà madio sy ny rà maloton’ity zaza ity. Tsy maintsy ho didiana any Frantsa fara-fahatarany ny volana janoary i Iavotiana. Mialoha izany anefa dia mila atao “dyalise” izy.  Vola mitentina 20.000 euros no tadiavin’ny ray aman-dreniny ankoatra ny vola ilaina amin’ny fikarakarana ny taratasy, ny fitaterana… handehanana any Paris.

Vao teraka i Iavotiana dia tsy nahatsiaro tena. Nambaran’ny dokotera fa maty mihitsy aza. “Efa voalavaka ny handevenana azy. Nikohaka tampoka anefa izy tao anaty sakaosy. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena indray izy fa velona ihany farany”, hoy ny mamany. Ho fanampiana ny Iavotiana, nasiana “oxygène” ny orony. Manaraka azy eny foana “bouteille d’oxygène”. Milanja 12 kilao izy ity ary vidiana isaky ny enina andro. 12 tapitrisa ariary ny vidian’izy io, araka ny fanazavan’i Prudence.  Mangana sy torana i Iavotiana rehefa misy fihetseham-po (mitomany, malahelo…) na tsy misy “oxygène”. Manao antso avo ho an’ny malala-tanana ny ray aman-drenin’i Iavotiana. Eny Mamory Ivato no misy azy. Ireto kosa ny laharana ahafahana miantso azy ireo: 034 41 964 56 ny an’i Prudence, 034 84 432 31 ny an’Ravo, dadan’i Iavotiana. Manentana ireo vehivavy ny maman’i Iavotiana mba hizara ny alahelony amin’ny hafa na hitomany rehefa misy olana fa tsy hikobona izany samy irery fa misy fiantraikany any amin’ny zaza rehefa bevohoka.

Lynda A.

 


One comment on “IAVOTIANA: Mila fanampiana maika

  1. Pingback: IAVOTIANA: Mila fanampiana maika - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *