Socio-eco

HYPNOSE MEDICALE: Azo ampiasaina amin’ny fitsaboana


Voajanahary  ny « état hypnose ». Isaky ny 90 minitra dia miditra ao anatin’ny « état hypnose » ny olombelona iray, hoy ny dokotera Ravoahary Gleize, maitre praticien en hypnose médicale.  Araka ny fanazavany dia mizara roa mazava tsara ny firafitry atidoha. Ny faritry ny fahatsiarovan-tena (partie consciente) ny ankilany ary ny faritry ny tsy fahatsiarovan-tena (partie inconsciente) ny andaniny. Mampiasa ny “partie consciente” ny olombelona rehefa manaraka ny lojika na mandray fanapahan-kevitra. Ny “partie inconsciente” kosa no mitahiry ny fahatsiarovana rehetra na ratsy na tsara , ny fihetseham-po, ny fahazarana, ny finoana sy ny maha izy ny olona iray. Rehefa ao anatin’ny  « état hypnose » isika rehefa ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena. Ohatra  ao anatin’ny “état hypnose” isika rehefa mijery sarimihetsika.

Nambaran’ny dokotera Ravoahary fa azo ampiasaina amin’ny fitsaboana ny “hypnose” ary tena mahomby.  Ao anatin’ny « état hypnose » isika rehefa  ao anatin’ny  mari-drefy (fréquence)  4 ka hatramin’ny 8 hertz. Rehefa hitsabo dia atao izay hahatonga ny marary ho eo amin’io mari-drefy io.  Santionany  ampiasaina ny “hypnose médicale” ny  famafana ireo fahatsiarovana mahatonga tahotra, tsy fahatokisan-tena; fanafoanana ny fahazarana toy ny fifohana sigara, fisotroana toaka; ny fanafoanana ny fanaintanana. Hopitaly maro amin’ireo firenena any ivelany no mampiasa azy ity amin’izao fotoana izao rehefa hiroso amin’ny fandidiana ny mpitsabo. Raha tokony ho « anesthésie générale » no atao dia lasa « locale » satria ampiasaina ny “hypno-sédation”. Ankoatra fitsaboana fitaovana iray hampivelarana ny maha olona ny « hypnose ». Marihina fa  tsy mitovy  ny “hypnose médicale” ny « hypnose de spectacle ».

Lynda A.


2 comments on “HYPNOSE MEDICALE: Azo ampiasaina amin’ny fitsaboana

  1. HARY NIRY

    Inona no fetra (na limite) tsy vitan’ny hypnose médicale? ary rehefa inona no tokony manao fizahana (consultation) ny olona iray ? Nahafinaritra ilay fanehoankevitra fa fohy loatra ny fotoana

  2. Ando Andria

    Miarahaba tompoko!
    Liana tanteraka amin’ilay hypnose médicale ny tenako ary te hahafantatra hoe aiza no manantona raha te hanao izany?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *