Socio-eco

HUAWEI: P Smart ny hiaka farany


“Manangan-tanana fotsiny dia mipika ny sary”. Ho an’ireo tia maka sary na manao “selfie”, manamora ny fangalana sary ny finday vaovao P Smart, navoakan’ny Huawei. Nanomboka ny sabotsy 21 aprily 2018, efa azo jifaina any amin’ireo magazay mivarotra ny marika Huawei izy ity. Nambaran’ny tomponandraikitry UDITEC, mpaninjara ny marika Huawei eto Madagasikara, Jean Raveloson fa amin’ny maha “smart” ity finday raitra ity, mahafinaritra avokoa ny mombamomba azy rehefa ampiasaina. Ohatra amin’izany ny fangalana sary. Apetraka amin’ny toerana iray fotsiny ny finday rehefa haka sary. Amin’ny alalan’ny tsangan-tanana dia mipika ny sary. Tsy hanahirana intsony ny maka sary ny vatana iray manontolo, tsy mila olon-kafa haka ny sary.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 2018 teny amin’ny “Café de la gare” Soarano ny fivoahan’ny finday Huawei P Smart. Mora noho ny finday navoakan’ny Huawei farany ny izy ity. Manodidina ny 1.200.000 ka hatramin’ny 1.400.000 Ariary ny vidiny.
“Double caméra” ny Huawei P smart. Rehefa maka sary lasa flou na aloha na aoriana. “Double SIM” ity finday ity ary “version “ farany ny android satria 8.0.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *