Socio-eco

GSDM: Tsara ny vokatra azo rehefa ampiarahana amin’ny “agro-écologie ny voly fanondrana sy ny fihinana


Mihatsara ny tsiron’ny tany, ampy ny sakafo, miditra ny vola. Tany mirefy 02 hektara sy sasany monja dia ahitana karazana fambolena toy ny voly fanondrana (kafe, lavanila, jirofo, poavatra), voly fihinana (haninkotrana, legioma, voankazo, voamaina). Ao amin’ny fokontany Iandraina, kaominina Vohimasy, distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana no misy izany vokatry ny tetikasa PAPAM. Ireo tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana Te-handroso no tompon’ny tany.  Ny GSDM, matihanina amin’ny fambolena maharitra na “agro-écologie” no nanome fiofanana azy ireo tamin’ny fampiarahana ireo teknika “agro-écologie” sy ireo karazana fambolena.

GSDM - farafanagana 3“Malaza amin’ny voly fanondrana ny faritra Atsimo Atsinanana. Ny fampiarahana ny agro-écologie ao anatin’ny voly fanondrana dia natao teto Iandraina. Mety amin’ny voly kafe, poivre sy vanille ny fampiasana ny voly  fatao rakotra arachis. Voly rakotra stylosanthès afaka ampiarahana amin’ny voly jirofo”, hoy ny tomponandraikitry ny GSDM faritra Atsimo Atsinanana, Rakotoherimandimby Réné. Ho an’ny voly fihinana toy ny haninkotrana (mangahazo na kazaha, voamanga na bokala, oviala) dia nohatsaraina tamin’ny alalan’ny teknika fambolena agro-écologie” voly an-davaka na basket compost.  Ny voamanga miloko volomboasary  ohatra dia mahazo telo kilao isaky ny fototra ny tantsaha raha toa ka antsa-kilao monja raha voly nentim-paharazana, izany hoe tany iray ara mahavokatra voamanga 156 fototra. Dimy (05) hatramin’ny 10 kilao isaky fototra kosa ny kazaha na mangahazo.

Mamerina ny tsiron’ny tany

GSDM - farafanagana 2 Ankoatra izany, ao anatin’ny  teknikam-pambolena maharitra ny fanatsarana ny tany. “Noho ny fampiasana ny voly tranainy dia ritra ny fahalonahan’ny tany vokatry ny fambolena tsy manaja ny fampivadiam-boly, fifampidimbiasam-boly na zavatra tokony tsy miaraka ampiarahana”, hoy ny teknisiana momba agro-écologie, Rakotoherimandimby Réné. Araka ny fanazavany fa ny voly rakotra na ny fambolena ireo zava-maniry fatao rakotra toy ny arachis, stylosanthès, mucuna dia anisany mahalonaka ny tany. Tombontsoa azon’ny tantsaha tamin’izany rehetra izany ny fiakaran’ny vokatra, mihena ny maitso ahitra, mitombo ny fidiram-bola, mihatsara ny tsiron’ny tany amin’ny toerana iray afaka ivelomana, tsy voatery miovaova vohitra sy manao tavy. Mandra-piakatry ny voly fanondrana, manana voly atao fihinana sy amidy.

Lynda A.


2 comments on “GSDM: Tsara ny vokatra azo rehefa ampiarahana amin’ny “agro-écologie ny voly fanondrana sy ny fihinana

  1. Pingback: GSDM: Tsara ny vokatra azo rehefa ampiarahana amin’ny “agro-écologie ny voly fanondrana sy ny fihinana - ewa.mg

  2. Malaza Sidiric

    Salama tompoko, zaho dia mpianatra nanao Agro zaho 1ère année fa privé lay iz de voatery nifindra nanao Environnement aty Ankatso aho zao fa tsy haraka ny saram-pianarana, zaho dia tena liana @resaka fambolena ka manana fanirina ho lasa mpamokatra vanille matihanina nefa Zaha ts manana « technique » tokony hahazoana vokatra tsaratsara koakoa fa mbola mampiasa n’y fomba fambolena nentimpaharazana ihany efa manao nefa zaho k inonana n’y tokony ho ataoko mba hanatratrarako n’y tanjoko ? Sao d mb asaka manampy ahy anareo n’a @fampiofanana izany n’a ara-kevitra n’a ara-pitaovana…. Izaho mpianatra eto Antananarivo fw avy any Maroantsetra efa nanao n’y asa rehetra momba ny vanille manomboka @fambolena azy hatramin’ny fikarakarana azy rehetra. Misaotra mialoha.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *