Socio-eco

HOPITALY ANDOHATAPENAKA : Niampy ny fitaovana fitarafana homamiadana


Hitan’ny « gama caméra scanner » avokoa ireo faritra misy sela homamiadana (cellule cancereuse) ao amin’ny vatan’olombelona iray. Niampy iray indray io fitaovana fitarafana homamiadana io ao amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka.
Mitentina 300.000 euros ity fanomezana avy amin’ny « Agence International pour l’énergie atomique » ity. Nambaran’ny dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, lehiben’ny sampandraharahan’ny fitsaboana nokleary ao amin’ny hopitaly Andohatapenaka fa firenena afrikanina faha-roa manana ny « gama caméra scanner » i Madagasikara.
Mitaratra ny sela homamiadana miparitaka amin’ny vatana (métastase) ny « gama caméra scanner ». Natao ho an’ny olona mamofopofona homamiadana ity fitaovana ity. Fomba fisorohana ny fiparitahan’ny sela homamiadana amin’ny vatana ihany koa izy ity satria mahita soritra homamiadana sivy volana mialoha.
Nambaran’ny dokotera Rasata hatrany fa raha voan’ny homamiadana ny taova iray dia tsy mijanona ny sela homamiadana raha tsy mamotika ny taova iray manontolo. Natao ho zakan’ny fahefa-mividy ny rehetra ny fitiliana. Manomboka amin’ny 60.000 ka hatramin’ny 200.000 Ariary ny sarany. Mahavita mitaratra olona 10 ka hatramin’ny 20 isan’andro ny fitaovana iray.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *