Socio-eco

HOLAFITRY NY VADINTANY SY NY MPANAO LAVANTY ETO MADAGASIKARA : Hiakatra fitsarana ihany ilay raharaha nanaovana herisetra tamin’ny vadintany vehivavy.


Ny tantara dia mbola mitohy…  Fantatra fa hiakatra fitsarana amin’ny Alatsinainy 07 Jona 2021 eny Anosy ny raharaha fitoriana nataon’ny vadintany vehivavy niharan’ny herisetra ara-batana teo am-panatanterahana ny asany raha ny vaovao azo. Efa nandrasan’ireo mpikambana ao amin’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty eto Madagasikara ny hiakaran’ity raharaha ity mba hanafaizana ny tompon’antoka amin’ny herisetra nahazo ny naman’izy ireo na iza izy na iza.

 Ankoatra izay dia mahatsapa ny holafitra fa betsaka ny fitoriana ireo vadintany sy ny mpanao lavanty kanefa tsy manaraka ny lalàna hoy ny filohan’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao  lavanty, Maître RASAMIMAKA Mahefalahy . «Tsy anjely izahay vadintany sy ny mpanao lavanty eto Madagasikara fa tahaka ny olon-drehetra ihany fa tokony arahina ny lalàna ».

Araka ny voalazan’ny làlana laharana faha 2005-034 tamin’ny 20 febroary 2006 mikasika ny sata fototry ny Vadintany sy mpanao lavanty ao amin’ny Fitsarana eto Madagasikara, ny andininy faha 30 dia Ireo rehetra fitoriana apetraka mikasika ny Vadintany sy ny mpanao lavanty mandritra na ivelan’ny asany andavanandro, dia tsy maintsy avantana mialoha any amin’ny Tonia Mpampanoa lalàna ambony mahefa. Ny biraon’ny holafitra dia tsy maintsy ampahafantarina ny fanenjehana ara- keloka rehetra amin’ireo mpikambana ao aminy mba ahazoany mametraka eo amin’ny ambaratongam-pitsarana mahefa ny heviny ao anatin’ny iray volana.

Noho ireo antony ireo, ny holafitra dia miantso ny olon-tsotra sy ny ambaratongam-pahefana ara-pitsarana rehetra, miainga any amin’ny mpanao famotorana (OPJ) ka hatramin’ny fitsarana tampony, mba hijery sy hankato ny lalàna manankery alohan’ny handraisany fepetra, mba hisian’ny tany tan- dalàna eto Madagasikara raha ny nambaran’ity filohan’ny holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara ity.

Nomarihany fa Solontenan’ny malagasy eny amin’ny fitsarana izy ireo ary solontenan’ny fitsarana eny anivon’ny vahoaka.

Ra-Nirina


2 comments on “HOLAFITRY NY VADINTANY SY NY MPANAO LAVANTY ETO MADAGASIKARA : Hiakatra fitsarana ihany ilay raharaha nanaovana herisetra tamin’ny vadintany vehivavy.

  1. Bruno Philibert

    Tsy azo eritreretina mihintsy izany mandratra Huissier izany, satria mampiseho ny tsy fisiana tany tan-dalana, ka tokony ho faizina mafy mba hisian’ny firindran’ny fiaraha-monina.

  2. Razafindrahasy Jonah

    Ilay Plainte réciproque dia hafetsena iray tadiavin’ireo.mpanao.meloka s’y miseho mahitahita hanafoanana n’y HELOKA vitany
    Ny Vadintany tsy olona tsotra, azo toriana tokoa fa MBA aoka arahina n’y lalàna izay misy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *