Mahoraka

Holafitry ny mpanao gazety: Fanambaràna


Manoloana ny fisamborana an’i Fernand Cello, mpanao gazetin’ny Radio Jupiter, ny alin’ny zoma 5 mey teo, izahay mpikamban’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara dia manao izao fanambaràna izao :

– Eo am-panagonana ny vaovao rehetra mahakasika ny antony nisamboràna azy izahay.

– Ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara dia hijoro amin’ny fiarovana azy raha toa ka fandikan-dalàna mahakasika ny asa fanaovan-gazety (délit de presse) izany antony izany

– Manentana ny manam-pahefana tompon’andraikitra amin’ny fikirakiràna ity raharaha izahay ny mba hijery ny lafiny maha-olona satria raha ny fantatra dia tao anatin’ny tsy fahasalamana no nisamborana azy

– Matoky ny fahendren’ny ambaratongam-pitsaràna rehetra izahay amin’ny fandinihana ny raharaha mahakasika azy.

– Manara-maso akaiky ny fivoaran’ity raharaha ity izahay mpikambana manerana ny nosy.

– Manentana hatrany ny mpanao gazety mba hitandro toa ny anakandriamaso ny “Ethique et Déontologie” amin’ny fanatanterahana ny asa.

 

Antananarivo, faha-06 mey 2017

Ny Biraon’ny Holafitra eto Madagasikara


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *