Socio-eco

Ho an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara


 

 

Antony: Fangatahana fampihatona ny tetikasa fitrandrahana volamena, Zinc, Fer, Plomb, ary Berillium ao Soamahamanina sy fanafoanana ny fahazoan-dalana hitrandraka laharana 38234,19970 sy 37289 ary ny AERP 38879 izay nomena ny orinasa JIUXING MINES S.A.R.L, araka ny Didim-pitondrana laharana 33067/2015 tamin’ny 05 novambra 2015.

 

 

 

Antananarivo, faha 06 Jolay 2016

 

Andriamatoa Filoha,

 

Voninahitra ho anay ny manolotra anao ity taratasy misokatra ity, ho fangatahana fampihatona sy fanafoanana ny fahazoan-dalana hitrandraka nomena ny orinasa JIUXING MINES S.A.R.L. ao amin’ny Faritr’Itasy, mba hitsinjovana ny soa ho an’ny Tanindrazana iombonana.

 

Efa nanakoako tamin’ny haino aman-jery, ary efa hitan’ny besinimaro eto an-toerana sy any ivelany ny hetsika nataon’ny vahoaka aman’arivony izay manohitra ny fitrandrahana volamena, Zinc, Fer, Plomb, ary Berillium ao Soamahamanina sy amin’ ireo Kaominina roa mpifanolo-bodirindrina azy, dia Arivonimamo II sy Morafeno, izay nanomezana alàlana ny orinasa JIUXING MINES S.A.R.L efa voalaza etsy ambony.

 

Manaraka izany, adidinay ny milaza fa misy lafiny maro izay mety hisy fiantraikany goavana sy lalim-paka amin’ny fiaraha-monina sy ny toe-karena ary ny ho avin’ny taranaka faramandimby ireto antony voalaza manaraka ireto:

 

— Ny tsy fakana ny hevitry ny mponina araka ny lalana misy.

— Tsy fanajana ny zo ny mponina, monina sy mivelona eny an-toerana momba ny fananantany indrindra indrindra (Propriété Privée Non Titrée, loi n°2005-019). Tokantrano an’arivony hatramin’ny vahoaka an’hetsiny maro no ho faty mosary ary vao maika hilentika ao anatin’ ny fahantrana

— Ny loza mitatao noho ny fahasimban’ny tontolo iainana: fampiasana ny reniranon’Ikalariana sy Irihatra (fahafatesan’ny zava-manan’aina mivelona amin’ny rano), faharavan’ny ala tapia (faritra arovana), sy ny havoana ary ny lohasaha.

 

Tsy manan-jo haka ny anjaran’ny taranaka faramandimby isika rehetra.

 

Noho ireo antony voalaza eo ambony ireo, izahay izay manao sonia eto ambany dia maneho etoana ny firaisankinanay tanteraka amin’ireo mpiray tanindrazana any an-toerana, ary mangataka anao mba hampihato ny tetikasa fitrandrahana volamena, Zinc, Fer, Plomb, ary Berillium ao Soamahamanina sy ny manodidina rehetra, ary hanafoana ny fahazoan-dalana hitrandraka laharana 38234, araka ny Didim-pitondrana laharana 33067/2015 tamin’ny 05/11/2015 sy ny 19970 izay nomena ny orinasa JIUXING MINES S.A.R.L, amin’ny velaran-tany mahatratra 7.500 HA (na 192 efamira, 625 m ny lafiny) ao Arivonimamo II ho an’ny orinasa JIUXING MINES SARL, anisan’ izany koa ny AERP 38879 sy ny 37289 ao Morafeno.

 

 

Vonona izahay hifanome tànana aminao amin’ny fitadiavana vaha-olana maharitra sy mifanaraka amin’ny hetahetan’ireo vahoaka ireo.

 

Mino ary manantena izahay fa tsy latsa-danja noho izany koa ny fahavononana sy ny fitiavan-tanindrazana ao anatinao, izay tokony entinao manontolo  hisorohona ny olana miteraka fikorontanan-tsaina, fahaverezam-pivelomana ary tsy fandriam-pahalemana eo amin’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka.

 

Eo am-piandrasana ny valiny mahafa-po avy aminao amin’ny fangatahanay, dia raiso, Andriamatoa Filoha, ny fisaorana sy ny haja ambony indrindra atolotray anao.

 

 

Andefasana dika mitovy :

 

Andriamatoa Olivier MAHAFALY Solonandrasana, Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta

Andriamatoa YING VAH ZAFILAHY, Minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Harena an-kibon’ny tany sy ny solika

Andriamatoa Rivo RAKOTOVAO, Minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana

Ramatoa Docteur Johanita NDAHIMANANJARA, Minisitry ny Tontolo iainana

Ramatoa Realy ONITIANA, Minisitry ny Mponina

Andriamatoa Roland RAVATOMANGA, Minisitry ny Rano

üAndriamatoa Jean Chrysostome RAKOTOARY, Tale Jeneraly “Office National pour l’Environnement”

 

Nanao sonia :

 

Eryck RANDRIANANDRASANA, Coordonnateur  Projet TARATRA

Serge ZAFIMAHOVA, Club Développement Ethique :

Madeleine RAMAHOLIMIHASO

Zo  RANDRIAMARO, Coordinateur  CRAAD-OI

RAZAFINDRANAIVO, Président d’ honneur DEFI

Eric RAPARISON, Coordonnateur national Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany – SIF

RAZAFINDRANAIVO, Président d’honneur DEFI

RAZAFINDRASATA, ex-Chef de Cabinet Région Itasy

RABEARIVELO Armand, Maire de la Commune rurale d’Arivonimamo

ANDRIANONY Tsihoarana, président VONA Fitiava-tanindrazana

sy hafa

 

————————————————————————————————————————————————————-

Lettre à Monsieur Hery Rajaonarimampianina,
Président de la Republique de Madagascar
(Traduction libre)

A Monsieur Hery Rajaonarimampianina
Président de la République de Madagascar
Objet : Demande de suspension du projet d’extraction d’Or, Zinc, Fer, Plomb, et Berillium à
Soamahamanina et d’annulation des permis miniers 38234,19970 et 37289 ainsi que de
lAERP 38879 délivrés à la société JIUXING MINES S.A.R.L, selon le décret n° 33067/2015 du
05 novembra 2015.

Antananarivo, le 6 Juillet 2016
Monsieur Le Président de la République
Nous avons l’honneur de vous remettre cette lettre ouverte, en vue de demander la suspension et
l’annulation des permis d’exploitations délivrés à la société JIUXING MINES S.A.R.L.dans la
région Itasy, pour préserver les intérêts de la patrie commune.

Les media audio-visuels ont déjà diffusé, les opinions publiques nationale et internationale ont vu
les manifestations de milliers d’habitants qui s’opposent à l’extraction de l’Or, du Zinc, du Fer, du
Plomb, et du Berillium à Soamahamanina et dans les deux communes limitrophes Arivonimamo II
et Morafeno, pour lesquels des permis ont été délivrés à la société JIUXING MINES S.A.R.L
mentionnée ci-dessus.
Par ailleurs, il est de notre devoir d’informer des divers aspects qui risquent d’impacter gravement
et profondément la vie sociale et économique ainsi que l’avenir des générations futures pour les
raisons suivantes :
 L’absence de la collecte de l’avis de la population selon les lois en vigueur
 Le non-respect des droits de la population qui habite et vit sur les lieux, notamment le nonrespect de leurs droits fonciers ((Propriété Privée Non Titrée, loi n°2005-019). Des milliers
de ménages et des centaines de milliers d’habitants mourront de faim et s’enfonceront
davantage dans la misère.
 Les dangers qui menacent suite à la dégradation de l’environnement : l’utilisation des
rivières Ikalariana et Irihatra (disparition des plantes aquatiques), destruction de la forêt de
tapia (aire protégée), des collines et des plaines.
Nous tous navons pas le droit de confisquer la part des générations futures

Pour les raisons mentionnées ci-dessus, nous, signataires de cette lettre, affirmons notre solidarité
totale avec les compatriotes des zones concernées, et vous demandons dinterrompre le projet
dexploitation dor, Zinc, Fer, Plomb, et Berillium à Soamahamanina et dans tout le
voisinage, et dannuler les permis dexploitation n° 38234, selon le décret 33067/2015 du
05/11/2015 et n° 19970 délivrés à la société JIUXING MINES S.A.R.L, sur une superficie
atteignant 7.500 ha (ou 192 carrés miniers, de 625 m de côté) à Arivonimamo II pour la
société JIUXING MINES SARL, ainsi que les AERP 38879 et 37289 à Morafeno.
Nous sommes prêts à travailler avec vous pour rechercher une solution durable conforme aux
souhaits des populations affectées.
Nous pensons et espérons que l’engagement et le patriotisme qui vous animent ne sont pas moins
importants, engagement et patriotisme que vous devriez investir entièrement dans l’évitement des
problèmes qui provoquent angoisses, pertes des sources de revenus et absence de paix au
niveau du peuple malgache sans distinction,
Dans l’attente d’une réponse favorable de votre part à notre demande, nus vous prions d’agréer,
Monsieur Le Président de la République, nos remerciements et nos salutations les plus
respectueuses.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *