Socio-eco

« HIFATRATRA ANY AMIN’NY FILOHA NY KOLIKOLY ATAON’NY MANODIDINA AZY RAHA TSY MANAFAY IZY ».


Nahomby ny famoriana ireo tomponandraikitry ny fikambanana sendikaly isan-karazany, ireo hery velona rehetra manerana Nosy, … nataon’ny AFO Syndicale. Namaly ny antso ihany koa ireo mpanao politika manohana ny fitakian’ity farany dia ny fanerena ny Filohan’ny Repoblika hanagadra sy hanafay ireo olona ambony ao amin’ny fitondrana ankehitriny. “Hiroso amin’ny dingana manaraka indray ny AFO Syndicale ka hifampidinika amin’ny mpitarika fikambanana na sendikaly sy ireo mpitarika antoko politika tsirairay izay tonga teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ”, hoy Maharavo RATOLOJANAHARY na Doudou.
Nambarany fa nahavory laharan’antso an-jaton’ireo mpitarika ireo iny fivoriana izay notontosaina omaly teny an-toerana iny.
“Raha mbola tsy mandray fepetra ihany i Hery RAJAONARIMAMPIANINA,filoham-pirenena, tsy maintsy ny tenany ihany no ho voaongana eo ary tsy hahatratra ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018”.
Anterivava : Maharavo RATOLOJANAHARY

Nohamafisiny fa ny fanagadrana ireo tompondraikitra ambony mpanao kolikoly ireo ihany no hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ka tsy handrodana izao fitondrana tarihiny izao. « Mahamenatra amin’izao tontolo izao izany fanonganam-panjakana izany ary tsy mitondra tombotsoa ho an’ny Malagasy ka izany no antony hanentanana ny filoha ny handraisany andraikitra amin’ireo mpanao kolikoly manodidina azy », hoy hatrany izy.
Nirina R.

ORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *