Socio-eco

HETSIKA MIARAMILA TRANAINY : Tsy miombon-kevitra ny Tantsambo


Naresaka be ny fanambarana nataon’ny “ex-militaires” miomana handray andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena. Tsy iza ireo efa ireo miaramila misotro ronono sy miaramila tranainy.
Tsy miombon-kevitra amin’izy ireo kosa anefa ny “ex-matafs” na “ex-marins” tao amy Tafika an-dranomasina malagasy, dia ireo Tantsambo tranainy izany. Malalaka ny tsirairay sy ny isam-batan’olona haneho ny heviny hoy izy ireo. Tsy manameloka ireo miaramila tranainy namany antsoiny hoe “biffins” izy ireo. Na izany kosa aza anefa, dia nilaza ny “ex-matafs” fa na dia efa tsy miaramila eo ambany fanevam-pirenena intsony aza izy ireo, dia mitana sy manaja lalandava ny fitsipika sy tandrohasina mifehy ny Tafika manao hoe: “La discipline faisant la force principale des armées…”. Araka izany dia sady tsy manasohaso fitondram-panjakana ry zareo no sady tsy manameloka sy tsy manoman-tena ho mpanongana koa. Manindry anefa ny “ex-matafs” fa na dia tsy mbola manana fikambanana mijoro ara-panjakana aza izy ireo, dia misolontena ny maro an’isa mazoto manao fivoriana ara-potoana ireo tratra antso nanao fihaonambe tetsy Ambohijanahary Antehiroka. Malalaka anefa ny Tantsambo tsirairay hanao politika na tsia.
Marihina fa nitarika ny fivoriana tsy ara-potoan’ny “ex-matafs” ny ancien Capitaine de Vaisseau Rajaonarivelo Philippe sy ny ancien Maître principal Raberanto Bob, Doyen, Sensei haiady tao amin’ny Marine.
Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *