Socio-eco

HETRA PHONE : Manamora ny fandoavan-ketra


Ny ivon-ketra eny Faravohitra sy eny Alasora no hanaovana andrana voalohany amin’ny fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny finday. Noho ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny sampandraharaha misahana ny hetra (DGI) sy ny orinasa Orange, afaka aloa amin’ny Orange Money ny hetra tambatra (impôt synthétique). Tsy misy sarany ny fampiasana ny tolotra « hetra phone ». Manamora ny fandoavan-ketra ity tolotra ity satria tsy mila mandeha alavitra sy mandany fotoana ny mpandoa hetra. Tsotra ny fampiasana ny “hetra phone”. Mila manana kaonty Orange Money. Raha handoa hetra tambatra ianao, mametaka ny laharan’ny NIF ao amin’ilay tolotra avy eo.

Mpanjifa ana tapitrisany no nampiasa ny tolotra Orange Money nanomboka tamin’ny taona 2010. Tao ny nanao petra-bola, nandefa vola, nandoa vidin-jiro, nividy entana… Tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifan’ny Orange Money satria manamora ny fiainan’izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *