Socio-eco

HERY RAJAONARIMAMPIANINA : Miantso firaisankina


« Tokana ny fahavalontsika dia ny aretina COVID-19 » . Miantso ny tsirairay handray andraikitra, hiray hina ny Prezidàn’ny Repoblika teo aloha, Hery Rajaonarimampianina satria miatrika fahavalo tokana sady iombonana dia ny aretina coronavirus. Nampahery ny vahoaka malagasy izy. Mahery vaika ny aretina ka ny fandraisana andraikitry ny tsirairay no fiadiana voalohany handresena azy io, hoy izy. Aoka arahina ireo toro-marika avy amin’ireo tomponandraiki-panjakana.

« Antoky ny fitoniana ny mangarahara. Iray no tokony feo henon’ny vahoaka ka aoka tsy hisy feo na hevitra maro mifanipaka », hoy hatrany izy. Fotoana fanehoana ny fahaiza-mitarika ny fotoana tahaka izao ka handraisana fanapahan-kevitra haingana tsy amin-tahotra na fitavozavozana satria mihazakazaka raha ny zavatra hita. Ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra hainga, matotra dia mitarika fisavorovorona ny saim-bahoaka sy fikorontanan’ny fiaraha-monina. Anjaran’ny mpitondra ny manome toky ny vahoaka ao anatin’ny mangarahara amin’ny fahampian’ny famatsiana ara-tsakafo, fanafody ary ireo zavatra ilain’ny mponina andavanandro. Mila arovana ireo sehatra sy orinasa fototra tsy maintsy miodina anatin’ny krizy, toy ny fahasalamana, herinaratra, solika, fitaterana, ny famatsiana ara-tsakafo.

Ilaina ihany koa ny mangarahara amin’ny volam-panjakana rehetra natokana sy ampiasaina amin’izao ady izao. Aoka atsahatra na ajanona aloha ny fampiasam-bola amin’ny fandaharan’asa tsy mifanaraka amin’ny lahara-pahamehana amin’izao ady amin’ny aretina Covid-19 izao, hoy izy.

Tsy fotoana fiarovan-tena izao na fanamaivanana ny toe-draharaha na fanilihana andraikitra ihany koa ary tsy fotoanan’ny fanenjehana sy herisetra .

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *