Socio-eco

HERINANDRON’NY ANGOVO: Hikarohana vahaolana maharitra ho an’ny delestazy


Nandray fepetra vonjimaika  ny ministeran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny Jirama mba tsy hisian’ny delestazy intsony eto Antananarivo, araka ny  fanazavan’ny ministra Vonjy Andriamanga nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny angovo, ny 18 febroary 2019. Nampitomboana avo roa heny ny solika ampiasaina amin’ireo foibem-pamokarana herinaratra mampiasa solika eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Izany no natao dia mba hanonerana ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra vokatry ny tsy fahampian-drano amin’ireo foibe mpamokatra herinaratra ao Andekaleka, Mandraka, Antelomita, Sahanivotry, Tsiazompaniry ary Manandona, ka nitarika ny fahatapahan’ny herinaratra tato ho ato. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Jirama, Olivier Jaomiary fa noho ny tsy fahafahana mividy solika no nahatapaka ny jiro matetika hatramin’izay. Efa nampitomboana 300 metatra toratelo ny solika ampiasaina isan’andro ho an’Antananarivo amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavany.

Nanamafy kosa ny ministry ny angovo fa tsy ny teto Antananarivo ihany no nisy delestazy fa tanàna 60 isa manerana an’i Madagasikara dia iharan’ny fahatapahan-jiro. Izany indrindra no antony hanatanterahana ny herinandron’ny angovo izay tsy hifarana raha tsy ny zoma 22 febroary 2019 mba hikarohana vahaolana maharitra. Hifampidinika eo ambony latabatra ireo mpiara-miombona antoka, ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny angovo mandritra izany. Ao anatin’ny lahadinika ny fifanarahana momba ny famatsiana herinaratra ao main’ny Jirama, ny vahaolana fohy ezaka sy ny lavitr’ezaka. Efa nampahafantarin’ny ministra Vonjy Andriamanga sahady fa vina lavitr’ezaka ho tanterahina ny fanamboarana toby famokarana herinaratra vaovao ka angovo azo havaozina no ampiasaina amin’izany mba hialàna amin’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika. Ankoatra izany dia efa mandeha ny tetikasa miisa 45 any amin’ny tanàna manerana ny faritra rehetra. Hiampy tetikasa folo izany amin’ity taona ity mba hamahana ny olan’ireo tanàna tsy tafiditra ao anatin’ireo tetikasa miisa 45 ireo. Ezaka ho atao eto Antananarivo ihany koa ny fanovàna ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny solika amin’ny zavatra moramora kokoa sy maharitra. Handrasana noho izany ny fehin-kevitra hivoaka amin’ny zoma ho avy izao.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *