Socio-eco

Herinandron’i Eraopa: Mampisongadina ny asa fanaovan-gazety


Mpanao gazety roa vavy no nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninana nokarakarain’ny vondrona eraopeanina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana momba ny fankalazana ny faha-60 taona niarahan’ny vondrona eraopeanina niasa tamin’i Madagasikara ity fifaninanana natokana ho an’ny mpanao gazety ity. Judith Rakotovao, mpanao gazetin’ny onjam-peo RTA Mahajanga sy i Sandra Miora Hafalianavalona avy ao amin’ny « Business Magazine » an’ny vondrona « L’Express Madagascar » no nahazo ny loka tamin’izany. Ankoatra ny amboara, nozaraina solosaina, fakan-tsary, fandraisam-peo…izy roa vavy ireto ny 07 mey 2018.  Niompana tamin’ny faha-60 taona niarahan’ny vondrona eraopeanina sy i Madagasikara, ny zava-bita sy ny vinavina amin’ny ho avy amin’ny lafiny tamberinandraikitra sy ny fangaraharana lohahevitra tamin’ny fifaninanana.

Amin’ny sabotsy 12 mey 2018 vao hifarana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fiarahamiasan’ny vondrona eraopeanina amin’ny firenena Malagasy. Hisy ny fandefasana sarimihetsika vahiny hatramin’ny famaranana ny herinandron’i Eraopa. Araka ny fandaharam-potoana, azo jerena maimaim-poana ao amin’ny “Institut de Français de Madagascar” (IFM)  ny horonan-tsary “Stranger in Paradise” sy “Barbara”. Amin’ny 5 ora hariva ny voalohany ary amin’ny 7 ora kosa ny faharoa. Hofaranana amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny tetikasa sy ny tantaran’ny vondrona eraopeanina ny hetsika.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *