Socio-eco

HENRI RATSIMBAZAFY: « Ny tantaram-piainako »


60 taona nihirana. Manome fotoana ny mpankafy azy i Henri Ratsimbazy ny 08 desambra 2019 amin’ny 03 ora tolakandro, eny amin’ny CCI Ivato. Nambarany tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly 04 desambra 2019 fa hohirain’ny avokoa ny hira nahafantaran’ny maro azy tao anatin’ny 60 taona nihiràny sy ireo hira tsy mbola misy mahafatantra. 42 isa eo ny hira ho ataony eny an-dampihazo. Vonona ihany koa izy hikalo ireo hira hangatahan’ny mpijery amin’io fotoana io. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara ny fampisehoana, Raboanary Tantely, talen’ny Valiha Event fa hitondra ny traikefa avo lenta amin’ny fikarakarana ny hetsika izy sy ny ekipany.

Anisany zokiny indrindra amin’ny mpanakanto i Henri Ratsiambazafy. Izany indrindra no nahatonga ny hetsika  karakarain’ny Valiha Event nampitondraina ny lohateny hoe: “ny tantaram-piainako”. Manohana ity fampisehoana ity ny sekoly ambony ISPM. “Manana ny lazany amin’ny kanto i Henri Ratsimbazafy”, hoy ny rektoran’ny ISPM, Raboanary Julien Amédée. Ankoatra ny rohim-pihavanana misy eo amin’ity tomponandraikitra voalohany ao amin’ny ISPM ity sy io mpanakanto io dia efa mpiara-miasa akaiky ny roa tonta. Ray mpiahy ny andiany  mpianatra nivoaka tamin’ny fito taona lasa i Henri Ratsimbazafy, araka ny fanazavan’ny rektora. Noho ny fanohanan’ny orinasa Raozy dia “hiavaka ny fandravahana ny sehatra satria horavahana voninkazo mahafinaritra ny maso”.

Efa amidy eny amin’ny La City Ivandry sy Nect’art Ankaditapaka ny tapakila. 20.000 Ariary ny tapakila tsotra, 40.000 Ariary ny famandrihan-toerana ary 50.000 Ariary ny VIP.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *