Aretina tsy dia faheno eto amintsika ny fijininihan-drà lava na « hémophilie » kanefa mahafaty raha tsy voatsabo haingana. Raha ny tarehimarika nomen’ny ivon-toerana misahana ny fitsaboana ity aretina ity (CTHMada), eny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalo (HJRA) Anosy dia vao olona 150 manerana an’i Madagasikara no mbola fantatra fa tratry ny fijininihan-drà lava. Nilaza anefa ny Profesora Rakoto Alison Oliva, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny CTHMada fa maro no Malagasy mararin’ny « hémophilie » saingy tsy mahafantatra izany. Noho ny fiarahamiasa amin’ny « Novo disk haemophilia foundation » dia hanatanteraka fitetezam-paritra, hampahafantarana ny mombamomba ny « hémophilie » ny CTHMada. Ny volana septambra 2019 no hanombohana izany, araka ny fanazavana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao teny amin’ny HJRA Anosy, omaly 13 aogositra 2019.
Nambaran’ny Profesora Rakoto Alison Oliva, manam-pahaizana manokana momba ny « hémophilie » fa aretin’ny rà mpahazo ny lehilahy noho tsy fahampian’ny singa antsoina hoe : « facteur de coagulation » ny « hémophilie ». Io singa io no mampivaingana ny rà raha sendra maratra ny olona iray. Aretina ara-draikitoetra (génétique) ihany koa izy io ary lovaina avy amin’ny ray aman-dreny. Rehefa mandeha rà ny mpijininika rà lava dia maharitra ela mihoatra ny tokony ho izy na tsy misy fiafarany. Tsy mahaforona takompery ihany koa rehefa avy maratra. Ankoatra izany, raha sendra voadona na mampiasa vatana mafy loatra ny mpijininika rà dia mety hisy fiforonana tangongon-drà ao anaty hozatra “hématone” na anaty vanintaolana “hémarthrose” miseho amin’ny endrika mangana na fivontosana ety ivelany. Tsy misy afa-tsy ny fanaovana fitiliana ihany no ahafantarana na voan’ny “hémophilie” ny olona iray. Nohamafisin’ny tale misahana ny aretina tsy mifindra ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Rakotoarison Vincent fa azo tsaboana tsara ny fijininihan-drà lava ka manentana ny rehetra ny tenany hanatona mpitsabo manam-pahaizana momba izany na ivon-toerana tahaka an’ny CTHMada. Araka ny toro-hevitra nomen’ireto mpitsabo ireto dia ilaina ny fanaovana fitiliana ny zaza mialoha ny hanaovana didim-poitra azy sao voan’ny fijininihan-drà lava izy.
Lynda A.
Mankasitraka tompoko .Izaho Dia Liana satria za manana Zaza 5taona manana cas mitohy amin’io ka tiako mba ho tsaboina izy nefa ny entimanana tsy ampy ka mba mangataka Aho tompoko fanampiana avy aty aminareo oe aiza noaleha sy ahoana no atao?misaotra tompoko