Socio-eco

HCDDED: Fampiharana ny demokrasia ny fandehanana mifidy


Nivoaka ny gazety boky mirakitra ny asa vitan’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit) sy ny vina ho tanterahina manaraka ary ireo fitarainana voaray momba ny tsy fanajana ny demokrasia. Atonta isaky ny telovolana ity gazety boky ity. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny HCDDED, Pierre Lenoble Navony nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny HCDDED Soanierana ny 5 novambra 2018 fa mila averina any amin’ny fokonolona ny fanapahan-kevitra. Amin’ny alalan’ny teny ierana no hampandrosoana ny firenena.
Fototry ny demokrasia ny fahalalahana miteny, manangana fiangonana…hoy hatrany i Pierre Lenoble Navony. Ny fahalalahana miteny no misy tafahoatra indraindray eto amintsika. Manompa ve demokrasia? Nambaran’ny filohan’ny HCDDED fa fahaizana mandanjalanja sy tsy manafintohina ny hafa no atao hoe: demokrasia. Manana adidy hampianatra ny olona izany ny mpanao politika, ny fitondram-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena… Manentana ny mpifidy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana hampihatra ny zony ity andrim-panjakana misahana ny fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia ity satria fampiharana ny demokrasia ny fanehoana ny safidy amin’ny alalan’ny fifidianana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *