Socio-eco

HAVILA SCHOOL – BHMS SUISSE: Ho an’ny tanora malagasy ny fiarahamiasan’ny roa tonta


Ho mora ny fandehanana any Suisse ho an’ireo mpianatra te handranto fianarana momba ny “restauration”, “hôtellerie” ary ny fizahantany. Nosoniavina androany  Alatsinainy 09 septambra 2019 teny Analakely ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Havila School sy ny vondrom-pampianarana BHMS (Business and Hotel Managment School). Mizara roa ny tolotra omen’ny Havila School eny Mamory Ivato, fampiofanana arak’asa mandritra ny enim-bolana ny voalohany ary ny fampianarana ambaratonga ambony kosa ny faharoa. Rehefa mahavita fiofanana roa taona amin’ny fianarana ambaratonga ambony ao amin’ny Havila School ny mpiofana dia afaka manohy ny fianarany any amin’ny BHMS any Suisse. Lalam-piofanana dimy, « art culinaire”, “art de la table et du service”, « évènementiel », « hôtellerie » ary fizahantany no azo hanohizana ny fianarana ary hahazoana ny diplaoma Licence. Araka ny fanazavana hatrany, 18 volana ny faharetan’ny fianarana, sivy volana voalohany mianatra any an-dakilasy ary manao fanazaran’asa ny sivy volana manaraka.

 Araka  ny fanazavan’i Chef Toky Rama, mpanorina ny Havila School fa natao ho an’ny tanora gasy ity fifanaraham-piarahamiasa ity mba hivelaran’izy ireo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nilaza ihany koa i Hains Charles, talen’ny tetikasa fampandrosoana sy ny fitantanana avy amin’ny  BHMS fa an’ity mampiavaka ny vondrom-pampianarana any Suisse ity ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny fahafahan’ny mpianatra mahazo asa any amin’ireo firenena marobe. “Manome antoka izahay fa tsy maintsy mahita asa any ivelany ny mpianatra”, hoy i Andrianarison Onjaniaina, tomponandraikitra ara-barotry ny BHMS ety amin’ny faritra Afrika.

Lynda A.


2 comments on “HAVILA SCHOOL – BHMS SUISSE: Ho an’ny tanora malagasy ny fiarahamiasan’ny roa tonta

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *