Mahoraka

Hatsikana : “One man show” miaraka amin’i Za’Rery


Mpanao hatsikana vao misandratra kanefa manana ny maha izy azy i Za’Rery. Hampifaly, hanala sorisory, hitondra tsiky ny mpankafy hatsikana na  ireo te hiala voly ity mpanakanto ity mandritra ny seho an-tsehatra “One man show”, ny 27 aprily 2019 ho avy izao ao amin’ny CGM Analakely.

Havanana amin’ny  firesahana ny tranga-piarahamonina amin’ny alalan’ny hatsikana sy ny mozika i  Za’Rery. Ankoatra ny fampisehoany ny talentany ao amin’ny pejy facebook dia efa niseho an-tsehatra ihany koa izy ary mahasarika.

Nandritra  ny fifaninanana “Intello M’mémé” teny amin’ny oniversite Antananarivo Ankatso no nampisehoan’i Iharantsoa Andrianina ny talentany voalohany. Ka tamin’izany no nandrombahany ny laharana voalohany. Tsy nionona tamin’ny fahaiza-manao momba ny fampihomezana anefa i Za-Rery fa mbola nampitombo ny fahaizany tamin’ny alalan’ny fiseraserana tamin’ireo mpahay hatsikana malaza toa an’i Gothlieb.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *