Socio-eco

HAKANTO CONTEMPORARY: Mamoha ny fitiavan’ny ankizy ny zava-kanto sy ny kolontsaina


Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny zava-kanto sy ny kolontsaina. Raha tsy hiresaka afa-tsy i Chine isika dia anisany nampivoatra haingana ity firenena ity ny fanomezana lanja ny kolontsaina niandohany. Tao aorinan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana Hakanto Contemporary eny Café Mary, Galerie Alhambra, Ankadimbahoaka dia nisy  mpianatra amin’ny EPP avy eny amin’ny kaominina Ambohijanaka tonga nitsidika ity fampirantina ity. Ny sabotsy 08 febroary 2020 no nitsidika ny fampirantiana “eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao” ireo mpianatry miisa 150 avy amin’ny EPP telo ao amin’ny kaominina Ambohijanaka. Nambaran’ny tale jeneralin’ny EPP Tsilazaina, Ralison Hantanirina fa fotoana hisarihana ny sain’ireo mpianatra fa tsy ny vakodrazana, ny dihy, ny hira ihany no atao hoe zava-kanto. “Ho fampahafantarana azy ireo karazana zava-kanto hafa no tanjon’ny fitsidihana nataonay. Tao izao ohatra ny mpianatra vao nahafantatra fa zava-kanto ny fandrahoan-tsakafo”, hoy izy.

Ho famohazana indray ny fitiavana, fankafizana ny zava-kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara indrindra no namoranan’ny Fonds de Dotation HY ny Hakanto Contemporary.  Efitrano malalaka mirefy 300 metatra tora-droa eny Ankadimbahoaka, natao hanohanana ireo mpanakanto malagasy  miasa amin’ny sehatra rehetra, hamokaran’izy ireo ny sangan’asany, hanaovana fampirantiana ny Hakanto Contemporary. Fampirantiana ireo asa tanana nataona mpanakanto avy eto an-toerana sy avy any ivelany no nisantarana ity tetikasa iray ity. “Mahatsapa i Hasnaine Yavarhoussen, tale jeneralin’ny vondron’orinasa Filatex fa  fanoitra iray ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny kolontsaina sy ny zava-kanto ka izany indrindra no antony namoronany  ny Fonds de Dotation HY. Ankoatra ny fanohanana ireo mpanakanto dia manana tanjona ihany koa izahay ny hamoha ny fitiavan’ny ankizy ny kolontsaina fa indrindra ny zava-kanto. Isaky ny sabotsy dia hisy mpianatry ny EPP hitsidika maimaim-poana ny fampirantiana atao ao amin’ny Contemporary. Ho hazavaina amin’izy ireo izany kolontsaina sy zava-kanto izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Fonds de Dotation HY, Romy Voos Andrianarisoa nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Hakanto Contemporary eny Ankandimbahoaka, ny 06 febroary 2020.

Mihazakazaka ny sehatra tsy miankina amin’ny  fampiroboroboana ny  zava-kanto sy ny kolontsaina malagasy. Aiza ho aiza kosa ny fitondram-panjakana?

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *