Socio-eco

HAINGO PARADIS: Famahana haingana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny delestazy no andrasana amin’i Prezida Andry Rajoelina


Ora sisa no hisaina dia higadona ny faran’ny taona 2021. Andrasan’ny besinimaro amin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara mandritra ny kabary ho ataony, ny 31 desambra 2021, ny famahana ny fiakaran’nyy vidim-piainana. “Iaraha-mahalala fa taona mafy ho an’ny Malagasy ity taona 2021 ity. Difotra tanteraka ny vahoaka”, hoy i Haingo Paradis, olom-pirenena miandrandra fampandrosoana tena izy. Mitaky paikady tena hanavotana ny sosialim-bahoaka ny tenany ary manantena fa hiresaka an’izay Prezida Andry Rajoelina mandritra ny kabariny. “Mino aho fa olon-kendry ny Filoha amin’ny fanapahan-kevitra raisina manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana”, hoy izy.

Nanamarika ny taona 2021 ihany ny fahataphan-jiro matetika. Ankoatra ireo orinasa, betsaka ireo olon-tsotra fantiatoka, simba fananana vokatry ny delestazy. Manantena i Haingo Paradis fa hanome vahaolana momba ity delestazy ity ny Filoham-pirenena. Mitodika amin’ny mpiray tanindrazana ihany koa ramatoa Haingo mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana. “Raha tsy mitandrina isika dia ny fihibohana indray hamono olona betsaka fa tsy ny covid-19”. Roa taona sisa dia ho tapitra ny fe-potoana hiasan’i Andry Rajoelina amin’ny maha Filoham-pirenena azy. Tahaka ny mpitondra nifanesy teo aloha dia olana tsy mety voavaha mihitsy ity fiakaran’ny vidim-piainana sy ny delestazy ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *