Socio-eco

« Haify Mampihavana »: Hanandratra ny tsiron-tsakafo mampiavaka ny Malagasy


Mitombo hatrany ny singa mampiavaka ny hetsika ara-tsakafo « Haify Mampihavana ». Lohahevitra ho an’ny andiany faha-dimy ny « haify lafivalo » satria handray anjara ao ny avy amin’ny faritra sy ireo vahiny avy ivelany. Ho hita mandritra ny telo andro ireo sakafo mampiavaka ny Nosy « Sainte- Marie », an’i Sambava, Analamanga…Hampahafantatra ny sakafo mampiavaka azy ihany koa ry zareo avy any Indonesie, Italie… Ankoatra izany, hahazo vahana amin’ity andiany ity ny fampisehoana ny fahaizana mampihaingo (décoration) ny sakafo sy ny latabatra fisakafoana amin’ny alalan’ny fampiasana ny voankazo sy ny legioma. Anisany hitsarana ireo mpianatry ny EPP sy ireo zaza kamboty taizana amin’ireny akany ireny ity resaka « décoration » ity mandritra ny lalao tsikonina. « Ankizy 48 avy amin’ny sekolim-panjakana efa sy akany no handray anjara amin’ny lalao tsikonina. Hizara enina isaky ny vondrona izy ireo ary 18 no hiakatra amin’ny dingana famaranana », hoy filohan’ny fikambanana « Women Tourism Association of Madagascar (WTAM) izay mpikarakara ny hetsika, Irène Andreas. Ho fanampiana ny ankizy dieny mbola kely hahay hahandro sakafo no tanjona amin’ity fifaninanana tsikonina ity.

Nahitam-bokatra

Ho famporisihana ny Malagasy sy fisarihana ny avy ivelany hankafy ny sakafo Malagasy ny hetsika « Haify Mampihavana ». Nahitam-bokatra ny andiany efatra teo aloha satria raha karazana sakafo Malagasy roa no tao anatin’ny « carte » an’ireo tranom-pisakafoana folo eto Antananarivo renivohitra teo aloha dia lasa niakatra ho efatra izany ankehitriny, araka ny fanadihadiana nataon’ny WTAM. Noho ny fampahafantarana ny sakafo Malagasy dia lasa mankafy izany na Malagasy na ny vahiny. Trano heva 40 no handrafitra ny « Haify Mampihavana » andiany faha-dimy izay ho tontosaina ny 21, 22, 23 septambra 2018, eny amin’ny zaridaina Andohalo. 6000 ny mpitsidika handrasana ary 500 ny vidim-pidirana ho an’ny ankizy. 1000 Ariary kosa ho an’ny olon-dehibe.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *