Socio-eco

GUIDE PRIMABABY: Toro-lalana ho fanabeazana ny zaza latsaky ny 6 taona


Ny 6 taona voalohany amin’ny fahazazana no fototra iankinan’ny maha olona araka ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizana. Vao teraka ka hatramin’ny fahatelo taona no miforona 80 % ny atidohan’ny zaza. Miakatra 90 % izany rehefa 6 taona. Eo anelanelan’ireo vanim-potoana ireo ny atidohan’ny zaza  no mandray zavatra be dia be. Nambaran’ny tomponandraikitra voalohany  ny PrimaBaby, Rajaonah Haingo fa  tahaka ny trano ihany ny olombelona, misy fototra. Noho izany, miankina amin’ny  fikolokoloana ny zaza  manomboka izy vao teraka ka hatramin’ny fahaenin- taonany no hamolavola ny maha olona azy mandritra ny androm-piainany. Izany indrindra no namoronana ny “guide PrimaBaby”. Boky toro-lalana natao hanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zaza latsaky ny enin-taona izy ity. Efa amidy eny amin’ny tranom-boky, toeram-pivarotana momba ny zaza amin’ny vidiny 2000 Ariary ny andiany faha-10.

Tandremo!

Isaky ny volana jona no hamoahana ny Guide PrimaBaby ho fanamarihana ny volan’ny ankizy. Noho ny fiarahamiasa tamin’ny mpanabe dia hita ao anatin’io boky io toro-lalana ny fomba  fisafidianana ny sakafo ho an’ny zaza, ny fanabeazana azy, hoy ny tomponandraikitra lefitra ny Primababy, Radanielina Ialinirina. Voarakitra ao ihany koa ireo akanin-jazakely (crèche) sy akany fibeazana (prescolaire) azo antoka, eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.  Nohamafisin-dRamatoa Rajaonah Haingo fa miantoka ny fivelaran’ny zaza ara-dalàna ny fanomezana azy sakafo ara-pahasalamana, ny lalao fa indrindra ny fanehoam-pitiavana azy amin’ny lafiny rehetra. Tandremo fa miteraka fiantraikany ratsy amin’ny zaza ny tsy fihainoana azy.

Dingana manaraka

Feno 10 taona amin’ity taona ity ny Primababy. Ny fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zaza latsaky ny 6 taona no tena nataony hatramin’izay. 30.000 isan-taona ny olona nisitraka ny ireo sahan’asa iantsorahany toy ny fampiofanana, famokarana fandaharana ho an’ny zaza, ny Baby Shopping. Natsangana ihany koa ny fikambanana ho an’ny ray aman-dreny ka 300 ny isan’ny mpikambana amin’izao fotoana.  Hiitatra ny sahan’asa ho tanterahin’ny PrimaBaby ho an’ny 10 taona manaraka. Anisan’izany ny fanentanana sy fanabeazana ireo adolantsento mba hisorohana ny vohoka tsy niriana.

Nirina R.

 


One comment on “GUIDE PRIMABABY: Toro-lalana ho fanabeazana ny zaza latsaky ny 6 taona

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *