Socio-eco

GSDM: Ny ankizy indray no hampianatra ny ray aman-dreny ny « agroécologie »


Azo ampiharina avy hatrany. Navoaka voalohany teny amin’ny IFM Analakely ny 09 oktobra 2020 ny sary miaina mampahafantatra bebe kokoa ny « agroécologie ».  Anisan’ny tanjona iray ao anatin’ny tetikasa Manitatra II, sahanin’ny GSDM ny fampidirana ity ny teknikam-pambolena maharitra ity ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Vokatry ny tetikasa dia mbola ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy sy fahaenina amin’ireo CEG sy kolejy tsy miankina ao Vakinankaratra sy Boeny ihany no mbola ampianarana azy ity, nanomboka ny taom-pianarana 2017 -2018 no mankaty.  Araka  ny fanazavan’ny Tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana fa efa miara-miasa akaiky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny GSDM amin’ny fampidirana ny « agroécologie » ho lasa taranja hampianarina amin’ireo sekoly manerana ny Nosy.  Mandra-pahatanterak’izay dia novokarina io sary miaina io mba ahafahan’ny ankizy, ny ray aman-dreny, ny tantsaha mampihatra avy hatrany  ireo karazana  teknikam-pambolena miaro ny tontolo iainana kanefa ambony dia ambony ny taham-pamokarana.

Ho lasa mpamboly matihanina

« Ny GSDM dia mivoy sy manapariaka ny agorécologie, ilay teknika mahomby ho an’ny famokarana maharitra.  Izany dia natao mba hikajiana ny tontolo iainana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetran’andro.  Hatreto dia ny tantsaha sy ny teknisiana foana no omena fiofanana momba izany fambolena izany. Fa nisy tsirin-kevitra azon’ny GSDM nivoaka tamin’ireo atrik’asa maro sy tolo-kevitra amin’ny mpamatsy vola: Andao ny ankizy indray no ampianarina izany fambolena maharitra izany. Rehefa natao ny adi-hevitra sy ny ezaka rehetra dia natomboka tamin’ny taona 2017 ny fampidirana ny agroécologie aty an-tsekoly”, hoy Razaka Mireille, tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny GSDM.  Nambarany fa “ampianarina ny fambolena maharitra ny ireo zanatsika ireo, ireo taninketsatsika ireo mba hananany fahalalana sahady  sy hahaizany mikajy ny tontolo iainana. Rehefa lehibe izy dia tsy ho voatery ho polisy, dokotera na miaramila fa azony atao ihany koa ny mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Raha izao dieny izao izy ireo no ampianarina ny fambolena maharitra dia ho mety lasa mpamboly matihanina any aoriana”. Marihina fa niainga tamin’ilay bokikely entina hampianarana ny « agroécologie » any any am-pianarana io sary miaina io ary ho haparitaka manerana ireo sekoly iasan’ny  GSDM. Efa nampanantena ihany koa ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny tontolo iainana ary ny solontenan’ny faritra Vakinankaratra fa hisy ny fandefasana ny sary miaina any amin’ny faritra.

Lynda A.

VIDEO :


One comment on “GSDM: Ny ankizy indray no hampianatra ny ray aman-dreny ny « agroécologie »

  1. Pingback: GSDM: Ny ankizy indray no hampianatra ny ray aman-dreny ny « agroécologie » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *