Socio-eco

GSDM: Nampihaona ny mpikaroka, ny mpiantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny tantsaha


“Tsy dia misy loatra ny manao fivoriana tahaka izao”. Tao anatin’ny roa andro dia nifampizara ny traikefany, nampahafantatra ireo voka-pikarohana momba ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra  ireo mpandray anjara tamin’ny atrikasa “interface recherche et développement”. GSDM -Rakotondramanana, Tale mpanatanterakyAndiany fahatelo ity hetsika karakarain’ny GSDM (matihanina amin’ny “agro-écologie”)  ity ary ao anatin’ny tetikasa PAPAM. Ny 16 sy ny 17 desambra 2020 tao an-tampon-tanan’Antsirabe, faritra Vakinankaratra no nanatanterahana izany. Nasaina tamin’izany ireo mpikaroka sy ny mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana ary ny tantsaha.  “Andraikitry ny GSDM dia manakambana ny mpikaroka sy ny mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana ary ny tantsaha. Zava-misy matetika, ny mpikaroka manao ny ataony any dia manana ny resany, tsy mifanaraka  amin’ny olona mihitsy. Ny mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana manao ny ataony any. Mampihaona azy rehetra no atao ary androany nisy tantsaha koa teo. Samy eo ny mpikaroka milaza ny voka-pikarohana nataony, ny organisme de développemet milaza ny zavatra nataony sy ny vokatra azony”, hoy Rakotondramanana, Tale mpanatanteraky ny GSDM, nanazava ny anton’ny fivoriana, nandritra ny anterivava natao azy ny 17 desambra 2020. Nambarany fa tsy dia misy loatra ny manao fivoriana tahaka izao satria tsy mitovy hevitra  mihitsy ireo.

Manana ny voka-pikarohany ihany koa ny tantsaha

 Matetika misy ny voka-pikarohana fa mipetrapetraka any ambadimbadika any. “Ny tantsaha ihany koa dia manao fikarohana ho azy ary ny zavatra nahafinaritra tamin’ny fikarohana sasany teo dia na ny mpisehatra amin’ny fampandrosoana na ny mpikaroka dia mampiasa ny voka-pikarohana ataon’ny tantsaha”, hoy Rakotondramanana. Samy hafa ny fomba fiasan’ny tantsaha isaky faritra misy azy raha fanazavan’ireo tantsaha avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra, nanatrika ny fivoriana. Ohatra tamin’ny voka-pikarohana nambaran’izy ireo ny tsy fampiasana zezika amin’ny tanimbary satria efa lonaka. “Rehefa nanontaniana ny hafa dia samy hafa amin’izay ny valiny fa ny mampitovy azy  rehetra dia ny tanety no tena  ampiasana zezika, ary mampiasa ny zezi-pahitra nohatsaraina indrindra ny compost izy ireo. Kely fotsiny ny fampiasana  zezika simika fa ny ankabeazan’izy ireo dia efa miala amin’ny zezika simika fa mampiasa  fomba hafa. Izay ilay fikarohana avoakan’ny tantsaha ary mifandray amin’ny zava-misy fa tsy hoe ity ataovy, ity ny paquet technique dia mampiasà zavatra tahakan’izao dia  tsy ataon’ny tantsaha ilay izy satria tsy nanontaniana mihitsy ny heviny”, hoy hatrany izy.

Ankoatra izany, betsaka ny fikarohana nataon’ny ONG na fikambanana misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra no fantatra nandritra ny atrikasa “interface recherhe et développement”  toy ny fisian’ny aretina mpahazo ny vary, ny zezika vita avy amin’ny akofam-bary,  ny fiovaovan’ny toetr’andro… “ Anisany mivoy ny agro-écologie ny Ceffel. Ny atrikasa tahak’izao dia anisany ahitana hevitra koa mba ahafahana manampy  ireo mpamokatra izay miaraka aminao. Maro ny mpikaroka, maro ny mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra nizara ny traikefany teo. Ianao mandray, mizara dia manatsara. Ny Ceffel  ihany koa miasa  ho an’ny mpamokatra dia mizara ny traikefa azony. Nitondra ny anjara biriky tamin’ny resaka voankazo sy legioma izahay”, hoy ny tomponandraikitry ivon-toeram-pamokarana legioma sy voankazo ao Vakinankaratra, Rasamimanana Andry. Marihina fa Biochar na zezika vita avy amin’ny akofam-bary ny voka-pikarohana nampafahantaran’ity ivon-toerana ity tamin’ny atrikasa.

Lynda A.

VIDEO:


One comment on “GSDM: Nampihaona ny mpikaroka, ny mpiantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny tantsaha

  1. Pingback: GSDM: Nampihaona ny mpikaroka, ny mpiantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny tantsaha - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *