Socio-eco

GSDM: Mampihatra ny fambolena maharitra ny mpianatra


Ampahany amin’ny tetikasa Manitatra II sahanin’ny vovonana GSDM matihanina amin’ny « agro-écologie » ny fampidirana ny fambolena maharitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Ny vondrona eraopeanina sy ny COMESA no mamatsy vola ity tetikasa ity. Kaominina 17 ao amin’ny faritra Vakinankaratra no iasan’ny tetikasa Manitatra II ka anisany mpahazo tombontsoa amin’izany ny CEG Ambohimandroso, distrika an’Antanifotsy sy ny CEG Ihazolava, distrika an’Ambatolampy. Ny zoma 08 febroary 2019 lasa teo dia novolena hazo fihinam-boa ny tokontanin’ireto sekolim-panjakana roa ireto. Miisa 230 ny fitambaran’ny zana-kazo natsatoka izay ahitana karazany maro toy ny paiso, voasary, voasary makirana, paoma, kaki…
Nahafeno ny fepetra ny CEG Ambohimandroso sy ny CEG Ihazolava satria manana tokontany malalaka, manana mpianatra be indrindra ary nanaiky sy vonona ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana. Ho an’ny CEG Ambohimandroso izao dia manana tokontany mirefy efatra hektara. Nambaran’ny talen-tsekoly ny CEG Ambohimandroso Jean Francoeur Soussokou fa hanatsara ny endriky ny sekoly, hanampy ny fidiram-bolan’ny sekoly fa indrindra hanampy amin’ny resaka fanjarian-tsakafo ho an’ny mpianatra izao fambolena hazo fihinam-boa izao. Nanome toky ny tenany fa hikolokolo sy hikarakara ireto zana-boankazo mba ho lovain’ny taranaka fara-mandimby. Ankoatra ny fambolen-kazo dia hampianarina ny fomba fambolena maharitra ihany koa ireo ankizy ao amin’ny kilasy faha-enina sy faha-dimy an’ireto CEG ireto tahaka natao tany amin’ireo sekolim-panjakana ambaratonga voalohany. Ireo mpianatra indray no hampita ny fahalalana azony any amin’ny ray aman-drenin’izy ireo.
Lynda A.


One comment on “GSDM: Mampihatra ny fambolena maharitra ny mpianatra

  1. Pingback: GSDM: Mampihatra ny fambolena maharitra ny mpianatra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *