Socio-eco

GSDM-GIZ: Miitatra any amin’ny faritra Boeny ny fampianarana ny ankizy ny “agroécologie”


Efa misy ny teknikam-pambolena hiatrehana ny fahasimban’ny nofon-tany sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro izay miseho amin’ny alalan’ny tsy fahampian’ny rotsakorana, ny fikorontanan’ny tetiandrom-pambolena sy ny maro hafa. Ho fanampiana ireo mponina ao amin’ny faritra Boeny dia teraka ny fiarahamiasa eo amin’ny GSDM, matihanina momba “agroécologie” sy ny GIZ ary ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa (MENETP) amin’ny alalan’ny OEMC (Office de l’Education de Masse et de Civisme). Nomarihina tamin’ny fifanaovan-tsonia, notontosaina ny  10 oktobra 2019 teny Anosy ny fanombohana ny asa.

Ho ampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianarana any amin’ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina any amin’ny faritra Boeny  ny fomba fambolena maharitra “agroécologie”. “Ho fanomanana ny ankizy na hisafidy ny ho tantsaha rehefa lehibe na tsia fa misy ny teknika vaovao: sady mamboly no manatsara ny tany ary miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro”, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana. Kilasy fahaenina sy fahadimy eny amin’ny  sekoly ambaratonga voalohany miisa roa ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II sy sekoly enina ao amin’ny distrikan’Ambato-Boeni no hahazo tombontsoa amin’izany.  Nambaran’ny  tale mpanatanteraky ny GSDM hatrany fa ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa “ProSol”, entina manatsara ny tany izay tetikasa iantsorohan’ny GIZ any amin’ny faritra Boeny ity fiarahamiasa ity. Ny ministera federalin’ny fiarahamiasa ara-toekarena sy fampandrosoana alemana (BMZ) no mamatsy vola ny tetikasa. Raha ny fantatra dia mitentina 119 356 euros ny famatsiam-bola ampahany voalohany. Roa taona ny faharetan’ny tetikasa fa mety hiitatra.

Efa nampiharina tany amin’ny faritra Vakinankaratra ny fampidirana ny “agroécologie” tao anaty fandaharam-pianarana nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa PAPAM sy ny Manitatra II. Vokatra azo tamin’izany ny fahaizan’ny mpianatra nampita ny teknika tamin’ny ray aman-dreniny. Hany ka resy lahatra sy nampihatra ny fomba fambolena avy hatrany ny ankamaroan’izy ireo. Santionany ampiasaina amin’ity fomba fambolena maharitra ity ny fambolena zava-maniry sy fambolena hazo haingam-pitombo mba hamerenana ny tsiron’ny tany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *