Socio-eco

GSDM: Ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny « agroécologie »


Sekoly enina hafa indray any amin’ny faritra Vakinankaratra hampidirana ny fomba fambolena maharitra na « agroécologie » ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Mpianatra 1200, kilasy faha-enina sy faha-dimy eny ambaratonga faharoa no hisitraka ny tetikasa MANITATRA II izay vatsian’ny COMESA sy ny vondrona eraopeanina vola. Tomponandraikitra amin’ny fanatontosana ny tetikasa kosa ny fikambanana mivoy ny teknikam-pambolena maharitra GSDM. Ho firosoana amin’ny asa, notanterahina ny 6 novambra 2018 ny fanavaozana ny fiarahamiasa eo amin’ny GSDM sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN). Ny tale mpanatanteraky ny GSDM Rakotondramanana sy ny ministry fanabeazam-pirenena Horace Gatien no niara-nanao sonia izany.

Efa nisy ny fiarahamiasan’ny roa tonta tamin’ny taom-pianarana 2017-2018. Mpianatra 1000, ray aman-drenin’ny mpianatra sy mpampianatra tao amin’ny fari-piadidian’ny fampianarana (DREN) Vakinankaratra no nahazo tombontsoa tamin’ny fampianarana ny « agroécologie ». Araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny GSDM Rakotondramanana fa tetikasa andrana izy ity saingy manana tanjona ny hampidirana ny fomba fambolena maharitra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny sekoly rehetra eto Madagasikara. Maniry ny hitaran’ny tetikasa any amin’ireo DREN hafa ihany koa Ministra Horace Gatien. “Ny mpianatra no hampita ny fahalalana azony any amin’ny ray aman-drenin’izy ireo momba ny « agroécologie » mba hampitomboana ny taham-pamokarana, tsy hanimbana ny tontolo iainana”, hoy hatrany Rakotondramanana. Vokatra azo tsapain-tanana tamin’ny tetikasa MANITATRA I ny fihenan’ny doro tanety. Rehefa samy namboly hazo haingam-pitombo toy ny “acacia” sy hazo fihinanam-boa ny mpahazo tombontsoa dia tsy nisy doro tanety intsony. Ao anatin’ny teknika fambolena maharitra ny famerenana amin’ny laoniny ny tsiron’ny tany amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, ny voly rakotra, ny fiarovana ny tontolo iainana.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *