Socio-eco

GSDM: Ampianarina any an-tsekoly ny “agro-écologie”.


Sekolim-panjakana ambaratonga faharoa (CEG) miisa enina ao amin’ny distrikan’i Vakinakaratra no nanombohana tetikasa PAPAM (Projet d’Appui à l’Amélioration de la Production Agricole). Noho ny fiarahamiasan’ny GSDM, vovonana matihanina amin’ny fampiasana ny “agro-écologie”, nampidirina ho an’isan’ny taranja ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny teknika fambolena maharitra. “Mba ampaharitra ny “agro-écologie”, ampianarana ny mpianatra . Mampita ny fahalalany amin’ny ray aman-dreniny izy ireo avy eo”, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana.
“Teknika iray ao anatin’ny “agro-écologie” ny famerenana ny tsiron’ny tany ny fambolena zava-maniry toy ny mucuna, vétiver… Eo ihany ny fambolena hazo mamelona ny tany toy ny acacias. Azo atao ihany ny mamboly hazo fihinam-boa na ala atao vadim-boly. Niova tamin’ny mahazatra hatramin’izay ny fikambanana 17 mivondrona amin’ny GSDM izay manaparitaka ny fambolena maharitra tamin’ny taom-pambolen-kazo tamin’ity taona 2018. “Manimba ny tsiron’ny tany ny fambolena “kesika”. Hazo acacias indray no novolena tany Moramena, fokontany Ambatomitsangana, Ampefy satria sady haingam-pitombo no azo atao kitay”. Mba tsy ho fombafomba fotsiny ny fambolen-kazo tahaka itony, tanin’olona iray mpahazo tombontsoa ao amin’ny Agrisud, fikambanana mivondrona ao amin’ny GSDM ihany no nanaovana ny fambolena. Tsy ho very maina fotsiny ny asa natao satria voara-maso ny tompon-tany tsara izany. 700 teo ny acacias nambolena ary i Riri na Randrianirina Jean Baptiste no tompon’ny tany.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *