Socio-eco

GROUPE SMTP: Mampatanjaka ny firenena ny fananganana indostria


Mitaraina ireo tompona indostria miorina eto Madagasikara noho ireo entana avy any ivelany mitobaka  eto an-toerana. Tsy lazaina intsony ireo karazan-tsakafo, tsy fantatra ny dikan’ny soratra eo amin’ny fononiny toy ny teny sinoa, arabo. Nambaran’ny Ministry ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana, Rakotomalala Lantosoa nandritra ny fitsidihany ireo orinasa mivondrona ao amin’ny SMTP,  ny  18 jona 2019 teny Ambohibao fa efa mandray fepetra ny ministera manoloana ireo entana mitobaka eto an-toerana.  Nilaza izy fa tsy afaka hanajanona ny fanafarana entana raha toa ka tsy misy indostria mpamokatra mamaly ny filàn’ny mpanjifa eto Madagasikara.  Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana malagasy ny fampiroboroboana  ny indostria ka mamporisika ireo mpandraharaha ny minisiteran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana (MICA) mba hanangana indostria mamaly ny filàn’ny tsena anatiny ary ho vokatra vita no hahondrana. Nanamafy ihany koa ny filoha tale jeneralin’ny groupe SMTP, Ismaël Danil fa miantoka ny ho avin’i Madagasikara ny fananganana indostria eto an-toerana. Sady mamorona asa ho an’ny Malagasy izany no mampiroborobo haingana ny toekarena. Mila jerena manokana anefa, hoy izy ny momba hetra.

Orinasa 19 no mivondrona ao amin’ny groupe SMTP. Ny orinasa mpamokatra “chocolat”, mpamokatra koba katsaka sy ny koba vary, mpamokatra sakafom-biby, misehatra amin’ny fiompiana ary mpamokatra fitaovana vita amin’ny plastika no notsidihan’ny ministra ny tapak’andro marainan’ny  18 jona 2019. Ahafahana mijery ny tetikasa momba ny indostria, ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara ny anton’ny fitsidihana, araka ny fanazavany.

Nirina R.


One comment on “GROUPE SMTP: Mampatanjaka ny firenena ny fananganana indostria

  1. Pingback: GROUPE SMTP: Mampatanjaka ny firenena ny fananganana indostria - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *