Socio-eco

GROUPE FILATEX- DERA ENERGY: Hamatsy herinaratra avy amin’ny angovo maitso ao Toamasina


Fampihenana ny saran’ny famokarana herinaratra ataon’ny Jirama.. Ho tohiny fampahafantarana tamin’ny taona 2019, ao anatin’ny tanàn-dehibe efatra nosafidian’ny vondron’orinasa Filtex sy ny orinasa kanadiana « Danish Energy Regulatory Authority »  (Dera Energy)  hanatanterahana ny tetikasa famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo maitso i Toamasina. Ankoatra ny fampiroboroboana ny fahazoana herinaratra avy amin’ny angovo maitso dia ho fanohanana ny politikan’ny governemanta malagasy amin’ny fandrakofana herinaratra manerana ny nosy no tanjon’ny tetikasa Toamasina Green Power, araka ny fampitam-baovao voaray. Mizara roa ny dingana hanatanterahana ny tetikasa. Ao anatin’ny dingana voalohany dia hiodina amin’ny alalan’ny toby mpitahiry herinaratra an’ny ENELEC ireo « panneaux solaire » ho famatsiana herinaratra ho an’ny tampon-tanànan’i Toamasina. Raha ny fantatra dia higadona ao Toamasina amin’ny herinandro ho avy izao ireo « panneaux » matanjaka indrindra. Efa nanomboka tamin’ny 13 janoary 2020 teo ny fanomanana ny asa ary nankinina tanteraka tamina orinasa malagasy ka namorona asa miisa 30 ho an’ny mponina tao an-toerana. Ny volana martsa ho avy izao kosa no hanomboka ny dingana voalohany amin’ity tetikasa ity ary amin’ny volana jona 2020 no fiandohan’ny famokarana. Nambaran’ny tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe avy ao amin’ny Groupe Filatex, Andrianarisoa Romy fa mifanandrify amin’ny andraikitra sahanin’ny Filatex sy Dera Energy amin’ ny fanohanana mavitrika ny fampandrosoana eto Madagasikara, ny fizarana traikefa sy famoronan’asa ity tetikasa ity. Eo ihany koa ny fampidinana ny saran’ny famokarana ataon’ny Jirama.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *