Socio-eco

GRENADY « LACRYMOGÈNE » SY BALA: Teny am-pelatanan’ny olon-dratsy


Miezaka ary mampiasa ny paikady amin’ny asan’ireo olon-dratsy ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Izay indrindra no nahazoan’izy ireo karazana grenady lacrymogène sy bala. Lehilahy iray no nifanena tamin’ny polisin’ny « Commissariat » ny boriboritany faha efatra eny Isotry. Omaly Alatsinainy 11 Martsa 2019  no nisehoan’izany  teny amin’ny tetezan’ny Bekiraro Anatihazo Isotry tokony ho tamin’ny enina ora maraina. Nitsoaka avy hatrany ity lehilahy ity rehefa nahita ireo polisy nanao fisafoana. Nariany teo amin’ny arabe ny kitapo azo babena nentiny ary nitsoaka nihazo elakelatrano, hoy ny fanazavana eo anivon’ny pilisim-pirenena. Nifanenjehan’ny polisy izy kanefa tsy azo rehefa nanao lalam-poza tamin’io elakelatrano io. Ilay kitapo nariany kosa dia nogiazana avy hatrany ary rehefa nosavaina dia nahitana karazana grenady lacrymogène miisa enina sy bala hafa karazana izay miisa fito. Efa nalefa eny amin’ny Police siantifika avy hatrany ireto fitaovana ireto halalàna marina ny karazany sy ny niaviany.

Tsapan’ny ao amin’ny polisim-pirenena  ankehitriny fa atahoran’ny mpanao ratsy ny polisy manao ny fisafoana ( polisy hita maso). Hitohy hatrany ny ezaka hamongorana ireo mpanao ratsy ataon’ny mpitandro filaminana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *