Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Manome sehatra ny fiompiana akoho


Hiavaka ny fetin’ny reny amin’ity taona ity. Hizara traikefa amin’ireo mpitsidika ny hetsika ara-barotra “Grande Braderie de Madagascar” (GBM) ireo matihanina amin’ny seha-pihariana akoho. “Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fomba fiompiana akoho ataon’ireo matihanina mandray anjara amin’ny Grande Braderie. Hanoro ny fomba mahomby  amin’ny fiompiana akoho faka nofony  toy ny sakafony sy ny maro hafa  izy ireo”, hoy ny mpikarakara ny GBM, Ramanantsoa Harilala. Hampiavaka ny GBM ho an’ny fetin’ny reny  izay atao ny 22 mey  ka hatramin’ny 26 mey 2019 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ihany koa ny fampahafantarana  ireo karazana sakafo vita amin’ny akoho ary hisy ny fanandramana izany maimaim-poana.

Toy ny mahazatra izay nahafantarana ny GBM hatramin’izay 20 taona izay fa ho avy handray anjara amin’ity andiany ity ireo orinasa sy mpivarotra amin’ny sehatra isan-tsokajiny.  Ho hita amin’ireo  trano heva miisa 250 ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny sakafo,  ny fitafiana,  ny kiraro, ny kilalao, ny fitaovana ao an-dakozia, ny finday, ny angovo… Betsaka ihany koa ireo entana azo atao fanomezana ho an’i Neny. Nanamafy  ny mpikarakara avy ao amin’ny Mada Vision fa mihatra hatrany ny fihenam-bidy 15 % no miakatra amin’ireo entana amidy eny GBM.  35.000 ny mpitsidika handrasana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *